Other News

Seranan-tsambon’ i Toamasina: mpiasa 76 mianadahy notolorana mari-boninahitra

Nolotorana mari-boninahitra “grande Officier” ho fankasitrahana azy ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), Avelin Christian Eddy, ny 16 mey lasa teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Pact “Port Academy Center Toamasina”. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny minisitry ny Fitate­ra­na sy famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, i Manga­laza Eugène Régis, […]

Hiavaka ny fankalazana ny 26 jona: hametrahana tsangambato lehibe eo Analakely

« Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana », io no tara-kevitra voafidy entina hankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Foloalindahy Malagasy. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy oma­ly, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, niaraka tamin’ny sary famantarana izany. Nitarika ny fampahafantarana ny minisitry ny Foloalin­dahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka […]

Fizahantany: trano vaovao ho an’ny INTH

Napetraka omaly, ny vato fototra hanavaozana ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fizahantany sy ny tranombahiny (INTH) etsy Ampefiloha. Mitentina 2 tapitrisa euros ny asa, tohanan’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Maharitra 15 volana ny asa, izay hanovana ny toerana hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ahitana rihana roa ny trano, efitra 14. […]

“Andron’ny seha-pamokarana”: tratra ny tanjona ho an’ny ANMCC

Fahombiazana. Maherin’ ny 20 000 ireo mpitsidika tonga teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina nandritra ny Andron’ny seha-pamokarana, ny faran’ny herinandro raha toa ka 6 000 ny vinavina. «Tratra ny tanjona, namaly ny antso avokoa ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana miisa 12 nisitraka ny fepetra fiarovana», hoy ny tale jeneralin’ny Autorité […]