Habibiana !… Izay no azo ilazana ity fanolanana sy herisetra niseho tamina renim-pianakaviana iray tao Ambodielana tsy lavitry ny Sarilenta, ny alahady 18 mey hariva lasa teo. Handeha hanatitra vatsin’ny zanany hanao fanadinana CEPE andrana tao amin’ny fokontany Ambodimanga, kominina ambanivohitra Ambodilazana, ilay ramatoa no nifanehatra tamin’ ity tovolahy 20 taona […]
Other News
Nihotsahan’ny trano : Mpanao trano roa lahy namoy ny ainy
Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona […]
VAOVAO TAMBATRA
Miteraka hatezerana eny anivon’ny fiarahamonina ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny isan’andro. Miteraka fitokonana ny delestazy sy ny fahatapahan-drano, ao ireo mandoro kodiarana sy manakan-dalana. Mitaraina amin’ny hafitsoky ny tolotra ataon’ny Jirama ny mpanjifa, ny faktiora aloa isam-bolana nefa tsy misy zava-banona. Nilona tao anatin’ny teknolojia amin’ny fiofanana momba ny faharanitan-tsaina artifisialy […]
Base Toliara : Hampandroso ny ao Atsimo Andrefana
Mandray anjara feno amin’ ny Foara iraisam-pirenena indostrialy FIM ny orinasa Base Toliara. Tsotra ny tanjony, hampahafantatra bebe kokoa ny lanjan’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, mitondra fampandrosoana ny eny ifotony sy ny firenena amin’ny ankapobeny. Nilaza ny talen’ny fifandraisana amin’ ny any ivelany ao amin’ny Base Toliara, Mahafaritsy Samuel, fa […]
Fikirakirana ara-bola : Mihazakazaka ny teknolojia niomerika
Fotoana iray anisan’ny ahafahan’ny samy mpandraharaha mihaona mivantana ny Foara iraisam-pirenena (Fim) atao ny 22-25 mey, eny amin’ny CCI Ivato. Sambany mandray anjara ny banky Sipem Madagasikara. Nohazavain’ny tale jeneraly lefitra (DGA), Randriatsimialona Lanja, fa « fotoan-dehibe hikarohana mpiara-miombon’antoka ny foara toy ny Fim. Mandray anjara amin’ny Fim izahay, satria […]






