Other News

MFFT sy ny tetikasa Mionjo: Nofanina hitantam-bola ireo ben’ny Tanàna

Mitohy hatrany ny fampiofanana tanterahin’ny eo ani­von’ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho an’ ireo ben’ny Tanàna. Nisitraka izany ireo ben’ny Tanàna miisa 106 any amin’ny faritra Anôsy sy Androy, ny herinandro teo. Anisan’ny niompanan’ny fampiofanana ny dingana amin’ny fampiasana ny fama­tsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa […]

Mitohy ny tolona

  Manamarika ny Andron’ny 13 mey i Madagasikara, anio. Andro mirakitra ny tolom-bahoaka namadihana ny tantaram-pirenena. Tolona niampitan’ny Repoblika voalohany nankany amin’ny revolisionina mena. Nanomboka teo no nitsimbadibadika ny fironana politika sy ny ideolojia novoizin’ireo nilaza fa tena tia tanindrazana. Hatreto, tsy hita be ihany ny tena fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. […]

Tolo-kevitry ny loholona : Harovana amin’ny asany ireo ben’ny Tanàna

Nandray ireo ben’ny Tanàna avy amin’ny faritra Analamanga, omaly, amin’ny maha mpiahy azy ireo ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny tetsy amin’ny Antenimierandoholona. Voaresaka ny momba ireo mpitantana eny ifotony. Nambaran’ny loholona, Rakotondrazafy Lala­tiana, anisan’ny nitondra ny tolo-kevitra, fa rariny raha harovana eo am-panatanterahana ny asany ireo ben’ny Tanàna. “Mba tsy ho […]

TSELATRA

Takalonaina telo mianaka votsotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, ny 9 mey teo. Nalain’ny olon-dratsy ny alin’ny 16 avrily lasa teo ireo olona ireo. Nokasaina hangalana vola ny fianakavian’ny lasibatra saingy tsy nahomby ny teti-dratsy. Mpitandro filaminana telo namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny […]

Vazaha mivady voaroba: Voasambotra tany anaty ala ny mpiambina

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpiambina roa lahy tao amin’ny trano fonenan’ny teratany vahiny iray sy ny vadiny, tao amin’ny kaominina Antanamitarana, distrikan’An­tsi­ranana II, ny alahady 13 mey teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ ny trano fonenan’io raim-pianakaviana io sy ny vadiny. Dimy lahy niditra an-keriny ka nampihatra herisetra avy hatrany. […]