Moto nandeha mafy ka tsy nahafehy izany ny mpitondra ary nianjera. Nipitika teny amin’ny sisin’arabe ny lehilahy iray ka nitarika ny fahafatesany, tao amin’ny Boulevard Ratsimilaho, Toamasina, ny alahady 11 mey maraina teo. Tovolahy mpiasa eo anivon’ny kaominina manakaiky ambonivohitra Toamasina II izy. Polisy kaominaly no anjara asany amin’izany. Raha […]
Other News
Faritra Boeny : Ben’ny Tanàna 45 nametrahana samboady
Tontosa ny zoma lasa teo, tany Marovoay, ny fametrahana ny samboadin’ireo ben’ny Tanàna miisa 45 lany tao amin’ny faritra Boeny. Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin ny lanonana. Niara-dalana tany an-toerana ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’i Mahajanga, Soafilira Princia, sy ny solombavambahoaka rehetra avy amin’ny faritra. Nitarika ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nidera ny ezaka vitan’ny ben’ny Tanànan’Anosy Avaratra, Rakotondralala Marino ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard. Telo volana nitantanana fa nahavita kianja telo samihafa, ho an’ny tanora. “Aoka isika hibanjina ny hampandrosoana ny kaominina. Tokony hatsahatra ny adilahy politika, ny fisainana ory hava-manana”, hoy izy. Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny […]
Filoha nasionalin’ny antoko Freedom : “Tsy mitsikera fa milaza ny maharary ny vahoaka”
Namarika ny taom-pikatrohany ny antoko Freedom ny sabotsy teo, teny Ivato. Nambaran’ny filoha nasionaliny, Rakotondrazafy Lalatiana tamin’izany fa mbola manohana feno ny filoha Rajoelina Andry izy ireo. “Tsy manakiana ny fitondram-panjakana izahay fa milaza kosa ireo maharary ny vahoaka. Tokony hitondrana vahaolana ireny”, hoy izy. Nohitsiny fa maro ireo tsy […]
Manomboka eo amin’ny tena…
Ihazakazahana ny hoe fampandrosoana amin’izao? Maika avokoa ny zava-drehetra, marolafy… Mby aiza? Ny mampanontany tena koa: mba tena liana sy vonona amin’ny hoe fiovana sy fampandrosoana ve, ohatra, ny tsirairay, ny isan-tokantrano, ny fiarahamonina, ny faritra… ? Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana sy fanovana. Tsy iandrasana ny hafa […]






