Tontosa, omaly, teny amin’ny foiben’ny Kaomity olympika malagasy Ivandry, ny famoahana ny mpiofana 11 mianadahy nanaraka ny fiofanana Cams, « Cours avancés en management sportives ». Andiany faha-7, izay misalotra ny anarana Fototra ireto nahavita ny fiofanana ka nivoaka omaly ireto. Nambaran’ny talen’ny fampiofanana, Ratoaviniriana Ramaroson, fa naharitra 7 volana […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Hamerina ireo hiran’i Bessa sy Lôla ry Mahery, Nanie, Farakely ary Faniry Raelison. Hotontosaina rahampitso ity seho ity, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Saika ireo hira rehetra nahafantarana an’i Bessa sy Lôla no haverin’izy ireo amin’io, raha ny fanazavana. Nilaza rahateo i Mahery fa efa nangata-tsodrano tamin’ny tompon-kira, nandritra ny fandalovany […]
Mirado: “Te hamerina indray ny 18 taona lasa aho…”
“Tena tiako ianao”. 19 taona lasa sahady izay no nivoahan’io hiran’i Mirado io. Herintaona taorian’izay, nisedra voalohany ny sehatry ny CCEsca Antanimena izy. “Nanamarika be ahy io fotoana niakarako an-tsehatra goavana voalohany io. Tsy nisy henoko izay nataoko fa ny horakoraky ny mpankafy nanaraka ny hira no nanenika ny efitrano. […]
Fandaharam-pianarana: Mila omena vahana ny kolontsaina
Efa ela no naroso tamin’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ny tolo-kevitra tokony hanomezana vahana ny kolontsaina malagasy any amin’ny fandaharam-pianarana. Hatramin’izao, mbola tsy tafapaka ihany ny hafatra. Io anefa, no antoka iray ahafahana manabe sy mamerina ny taranaka malagasy ho tena tompon’ny tenany, taniny, fombany, ny maha izy azy manontolo. Tsy ampy […]
Kolontsaina sy zavakanto : Manana ny amby ampy fa tsy voatrandraka
Toa mijanona eo amin’ny « manan-karena ny kolontsaina malagasy ». Dia, inona no tohin’io? Tsy fantatra mazava… Anisan’ny antony mampanan-karena ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny velaran’i Madagasikara. Midadasika ny tany, marobe ny kanto ao aminy. Iray amin’ireo firenena manana io haren’ny fahasamihafana io ity Nosy ity. Hatramin’izao, anefa, […]






