Hiatrika lalao avy hatrany, amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao, ireo klioba rehetra mifaninanana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Hiverina amin’ny faran’ny herinandro ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ity, ny fifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny AS Fanalamanga, […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 35 ny jiro Cobra azon’ny tampon-tananàn’i Sambava, ary 10 ho an’ny kaominina Ampanefena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Hazavana ho an’ny daholobe ity hetsika ity, hampitomboina avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara amin’ny taona 2030. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Mahatratra 20 ha ny […]
Toliara: « Fampandrosoana no ilaina », hoy ireo Olobe
Naneho hevitra ihany koa ireo Olobe sy ny Hazomanga any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, taorian’ilay fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, ny alahady teo, tany Andaboy Toliara. Raisin’izy ireo ho fanakorontanana ny fitondrana no nataon’ny mpitarika ny hetsika, fa mody sarontsaronana sy miafina ao ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. Nohitsian’i […]
Famatsiam-bola: Andrasana ny fankatoavan’ny FMI
Handalo fankatoavan’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena ny volana mey, aorian’ny tombana atao ny volana avrily izao, ny fahazoan’i Madagasikara ny famatsiam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara, andiany faharoa. Marihina fa efa nivoaka ny volana jona 2023 ny famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara andiany voalohany azontsika. Hetsika natao hanohanana ny fanavaozana sy ny fanarenana […]
Tolotra “Ampio-S”: Vahaolana amin’ny tsy fahampiam-bola
Hanampy ny mpanjifa amin’ny fandoavam-bola samihafa ataony ny tolotra vaovao “Ampio-S” ataon’ny Orange Money Madagascar sy ny Sipem Banque. Namoaka tolotra vaovao « Ampio S » ny Orange Money Madagascar sy ny Sipem Banque. Vahaolona ahafahan’ireo mpanjifa mameno ny vola ao anatin’ny kaontiny sy hividianany tolotra na koa hanaovana fandoavam-bola samihafa raha […]







