Other News

Trail – « Aina no Fetra »: ny 23 marsa ho avy izao ny andiany faharoa

Hotanterahina ny 23 marsa ho avy izao, eny amin’ny Cemeam Ankadikely Ilafy, ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana Trail “Aina no Fetra”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Ny Mainty Man­ga ho an’ireo tanora sy mpankafy ity taranja ity. Raha ny fanazavana nomen’ny mpikarakara, misy sokajin-dalao roa ny fifanintsanana. Hisy ny ha­zakazaka amin’ny halavirana 12 km, […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny 18 – 22 marsa izao no hiditra an-tsehatra ny taranja basikety, 3×3, amin’ny Lalao Afrikanina atao any Accra Ghana. Mandra-piandry ny andro hiaingan’ireo Ma­la­gasy delegasiona eo amin’ity taranja ity, mitohy ny fanazarantena, ho an’ny ekipa. Hotanterahina rahampitso sabotsy 9 marsa, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, […]

Andron’ny vehivavy: mikarakara lalao basikety ny ligin’Analamanga

Ho fanamarihana ny Andro natokana ho an’ny vehivavy maneran-tany, anio. Hisy ny lalao basikety, 5×5, karakarain’ny ligin’Analamanga, amin’ity zoma 8 marsa ity, eny Ankatso. Hetsika hiarahan’izy ireo manatanteraka amin’ny vehivavy mpitsara basikety sy ny vehivavy mpanao gazety mpilalao, Journaliste Basketteuse (JOBA). Raha ny fanazavana nomen-dRazafindrabe Ando, mpikarakara omaly, teny Ampefiloha, […]

Karate-Lalao Afrikanina : Votsotra teo am-pelatanan’i Gaëlle ny alimo

Tapitra ny lalan’i Madagasikara, teo amin’ny taranja karate katà, nandritra ny andiany faha-13 ny “Lalao Afrikanina”, atao any Ghana. Tsy nahazo ny medaly alimo i Gaëlle rehefa resy, nanoloana ilay Egiptiana, omaly. Dingana iray tsy nahatongavana teo amin’ny “po­dium”, tsy nahafa-bela an-dRakotonindrina Gaëlle Linda, niatrika ny Paruren, katà, taranja karate, omaly. […]

Ao anatin’ny 100 andro : volamena 500 kg haondrana ara-dalàna

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny hanomezan-danja ny sehatry ny volamena. Hapetraka ny fa­nadiovana volamena (raffinerie aurifère nationale). Hisy koa ny fanadihadiana lalina mialoha ny fananganana ny fotodrafitrasa ao anatin’ny 100 andro. Tanjona, araka izany, ny hanondranana volamena milanja 500 kg amin’ny fomba ara-dalàna mandritra io vanim-potoana io. Noho izany, hentitra ny […]