Nanjakan’ny ekipan’ny UBM Ambohitrimanjaka ny famaranana teo amin’ny sokajy Sénior, lehilahy, nandritra ny fiadiana ny amboara nanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Lasan-dry zalahy ny lelavola sy ny amboara. Norombahin’i Rija sy Yves ary i Jacky, mpilalaon’ny UBM Ambohitrimanjaka ny lelavola 2 tapitrisa Ar miampy amboara teo amin’ny […]
Other News
Raboanaritompo Jessica Soary : Manana tanjona hitarika ny vehivavy hitia fanatanjahantena
Nanaovana fanadihadiana mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina ilay mpikatroka karate, Jessica Soary. Manana fanamby goavana ny tenany ary hiezaka hatrany izy hanatratra izany. Amin’izao fotoana izao, mbola maro ny vehivavy tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra maro. Manoloana izany, miezaka ny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vehivavy eo […]
Fambolen-kazon’ny ANTM : Hamelo-maso ny zavamaniry fanao fanafody
Nanatanteraka fambolen-kazo tany Ankazomalaza, Ambohimanga Rova, ny Fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana (ANTM), ny faran’ny herinandro teo. Efa nanatanteraka izao hetsika izao izy ireo tao anatin’ny efa-taona nisesy. Hetsika natao hitarihana ny mpikambana rehetra mba hiaro ny tontolo iainana, araka ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny ala. 15 000 eo ho eo ireo […]
Kaominina Tanambao Tsirandrano, Bekily: Melohin’ny antoko Avi ny herisetra niseho
Niafara tamin’ny famoizana ain’olona ny tsy fanekena ny fahalanian’ny ben’ny Tanànan’i Tanambao Tsirandrano, distrikan’i Bekily. Manameloka izany ny antoko Avi. Miitatra ny raharaha ao amin’ny kaominina Tanambao Tsiandrano, distrikan’i Bekily. Maty nisy namono, ny sabotsy teo, ny zanaky ny ben’ny Tanàna voafidy tao an-toerana. Araka ny vaovao nampitain’ny fianakaviany, nisy […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafiditra ao anatin’ny sokajy “World Travel Awards 2025” i Madagasikara. Hetsika hanomezam-boninahitra sy amboara an’ireo firenena mahasarika mpizahatany indrindra maneran-tany. Manampy amin’ny fampahafantarana ny Nosy malagasy maneran-tany ny hetsika toy izao. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny rano vokarin’ny Jirama, raha ny fanazavana nataony tao amin’ny tambajotra sosialy. Mandalo dingana maro […]







