Nisahana ny fitsenana ireo vahiny, filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’izao hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny COI izao. Vahiny voalohany notsenainy, afakomaly, ny filohan’ny Repoblikan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan sy ny vadiny, Linda Ramkalawan. Anisan’ireo handray anjara amin’ny fivorian’ny COI, hatao eny Ivato, anio izy […]
Other News
Fandevenana ny Papa François: Lasa any Vatican ny kardinaly Tsarahazana
Nihazo ny any Vatikana, omaly ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Désiré hiatrika ny fandevenana ny Papa François. Hotanterahina ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina izany, ao amin’ny Bazilikan’ny Sainte Marie Majeure. Aorian’izany, tanterahina eo anelanelan’ny 12 hatramin’ny 20 andro aorian’ny fahafatesan’ny papa ny fihibohana “Conclave”, hifidianana ny handimby […]
Fandraisana ny filoha Frantsa: Voaporofo ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny
Henin-kaja sy voninahitra ny Malagasy tamin’ny fandraisana ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron sy ireo filoham-panjakana, hafa, tonga eto Madagasikara. Nilamina amin’ny ankapobeny ny fandraisana ireo vahiny. Nirindra avokoa ny fifamoivoizana tamin’ireo lalana rehetra teto an-drenivohitra, omaly. Nanohy ny asany andavanandro ny fiara fitateram-bahoaka sy ireo zotra nasionaly. Tahaka izany koa […]
Fihaonan’ny filoha Rajoelina sy i Macron: Hiaraha-midinika any Paris ny momba ireo Nosy malagasy
Niompana amin’ny sehatra marolafy ny fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, teny Iavoloha, omaly. Anisan’izany ny momba ireo Nosy malagasy. Nivoitra tamin’izany fa hitohy any Paris, Frantsa ny fivorian’ny vaomiera iraisan’i Frantsa sy i Madagasikara momba ireo Nosy malagasy. “Nanomboka ny taona 2019 no niresahana azy […]
Fikambanana isam-paritra : Toka-miavaka aty Afrika fa hany ahitana nosy irery ihany ny COI
Ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-V ataon’irao filoham-panjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) izao. Manana izay mampiava azy aty Afrika ny COI. Na eo amin’ny fijoroany, na ny asany… Izay tsara ho fantatra. Fikambanana iraisam-pirenena noforonin’ireo minisitry ny Raharaham-bahin’i Maurice sy i Seychelles ary i Madagasikara, tany Port-Louis, Maurice, tamin’ny […]






