Natolotra omaly nandritra ny fivorian’ny « Spring meetings » any Washington ny « Plan stratégique du bureau de l’administrateur ». Drafitrasa azo vokatry ny firaisankinan’ireo firenena afrikanina ka nahafahana nanomboka ny tetikasa « Mission 300 ». Ity farany dia entina hampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina aty Afrika sy ny politka hanatanterahana izany. Voaresaka nandritra […]
Other News
Miara-miasa
Mahoraka eto an-tanàna ny fahatongavan’ny vahiny marobe eto Madagasikara. Samy somebiseby ny olon-drehetra na ny faly na ny tsy faly. Anisan’ny miteraka ady hevitra sy mampizarazara ny vahoaka malagasy ny fitsidihan’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Misy filohan’ny Repoblika sy filoham-panjakana miisa dimy tonga eto an-tanàna fa dia izy irery […]
GEM-MEDEF International : Hanamafy ny fiaraha-miasa stratejika
Hamafisina ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo orinasa malagasy sy frantsay ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Hapetraka ny tondrozotra handrindrana ny asam-pampandrosoana ny toekarena. Tafapetraka omaly ny tondrozotra hanatanterahana ireo asa hampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena eto Madagasikara. Nanolotra izany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny « minisitre des Outre-mer » […]
TSELATRA
Fiara fitateram-bahoaka iray no may kila forehitra, omaly, tokony ho tamin’ny 11ora alina tany Antanandava Bekoratsaka, Distrika Mampikony. “Court-circuit” teo amin’ny motera no nitarika ny afo, raha ny fanazavana voaray. Tsy nisy naratra ireo mpandeha rehetra tao anatin’ny fiara fa niala mialoha rehefa naheno tranga hafahafa. Voasambotry ny mpitandro filaminana […]
Fankalazana ny fetin’ny paka: Olona 44 voasambotry ny mpitandro filaminana
Nahatratra 44 ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny paka lasa teo, teto amin’ny faritra Analamanga, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Nosamborina noho ny fandikan-dalàna sy hadisoana samihafa nandritra ny fety izy ireo. Manodidina ny 19 ireo fitarainana voarain’ny polisy nandritra ny fety. Fanafihana […]






