Other News

Fiaraha-miasa : Hizara traikefa amin’ny Tafika Malagasy i Tiorkia

Nandray ny masoivohon’i Tiorkia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Ni­voitra tamin’ny fihaonana fa efa nahazo tombony ta­min’ ny fampiofanana tany Tiorkia ny Tafika Malagasy. Nison­ga­dina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]

Baolina kitra any Allemagne: Tafiditra anatin’ny « onze type » i Bolo

Miezaka mampiseho sy mampisongadina ny tenany any Allemagne ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, i Voahari­niaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Araka ny fikarohana natao omaly, tafiditra anatin’ireo mpilalao 11 tsara indrindra, “onze type”, taorian’ny andro faha-24 ny fifaninanana rezionaly ny tenany. Tapa-bolana mahery teo izay no niarahan’ity Malaga­sy ity tamin’ny […]

Transparency International – IM: “Mbola vitsy ny vehivavy mpisehatra politika”

Nampahatsiahy ny eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagasikara (TI-IM) fa higadona afaka andro vitsy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Nambaran’izy ireo fa marobe ireo sakana ho an’ny vehivavy eo amin’ny fandraisana andraikitra ara-politika. “Mbola vitsy anisa izy ireo eo amin’izany sehatra izany. 27 % monja ny tahan’izy ireo […]

TARATRY ny KANTO

Mandalo an-tanindrazana i Voahirana. Hisy ny fiaraha-midera miaraka aminy, izay hotontosaina anio manomboka amin’ny 5 ora sy sasany, etsy amin’ny Pietra Analakely. Hanotrona an’i Voahirana mandritra izany ny tarika Antsa an’i Kristy, izay efa nisy azy. Eo koa i Rojo Ny Avo sy i Lovatiana. Efa niatrika ny famerenena niaraka […]

Iray volan’ny teatra: Hisy hetsika maro hotontosaina

Na mitsipozipozy aza, tsy maty ny teatra eto Madaga­si­kara. Mbola eo ireo mpise­hatra miezaka mampiaina izany sehakanto izany, na dia sahirana eo amin’ny efitrano hiseharana aza. Hanamarika ny Iray volan’ny teatra, fanao isaky ny volana marsa isika. Hetsika maro no hotontosaina mandritra izany, ka anisan’ ireo manana fandaharam-potoana maro indrindra […]