Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara,taranja volley, ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona. Voahosotra ho tompon’amboara nandritra izany, ny ekipan’ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy ny GNVB tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-14/25-16/25-15). Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, […]
Other News
Lalao ara-pirahalahiana: Mety hifampitana amin’ i RD Congo na i Togo ny Barea
Efa fantatra fa hanao lalao ara-pirahalahiana any France, i Madagasikara, ny volana jona io. Araka ny fanadihadiana natao, mety hifanandrina amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) sy i Togo, i Madagasikara, mandritra ny « fenêtre Fifa » ho avy io. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Lany avokoa ny tahirin-tsolika teny amin’ny manodidin’Ambohitrarahaba sy Analamahitsy, omaly. Nananosarotra ny fitadiavana izany ho an’ny mpanjifa. Hatreto, tsy mbola nisy fanazavana mahakasika ny zava-nisy saingy nampitaraina ny rehetra izany, indrindra ho an’ireo tratra hariva. Ahina ho olan’ny famatsiana amin’izao vanim-potoana ny fety izao ny tranga niseho. Arahi-maso akaiky ny […]
Anjozorobe: Mponina 1 285 nisitraka rano fisotro madio
Antoky ny fampandrosoana ifotony ny fisitrahana rano fisotro madio. Nahazo ny anjarany, tamin’alalan’ny fikambanana Amitié Madagascar Ile de France (Amif), ny fokontany Antanetibe, Alakamisy ary ny Lisea ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Notokanana tany an-toerana, ny alakamisy teo, ireo fotodrafitrasa goavana, ahitana fitahirizan-drano 15m 3, ny tambajotram-pamatsian-drano ho an’ireo paompy sy ho […]
« Spring meetings »: Hojerena ireo tombontsoam-pirenena
Tanterahana manomboka omaly, any Washington DC, ny fivoriambe karakarain’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny filankevi-pitantanan’ny vondron’ny Banky iraisam-pirenena « Spring meetings». Fotoana iray hifanakalozana hevitra momba ireo tombontsoan’ny firenena tsirairay. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe «L’emploi: la voie de la prospérité ». Ho resahina manokana ny mahakasika ny toetry ny […]






