Other News

Slalom Ranovisy : Chronomètre vaovao no ampiasaina

Hotanterahina eny amin’ny Circuit bout de piste Ivato, ny sabotsy 26 sy alahady 27 avrily ho avy izao, ny «Slalom Ranovisy». Fifaninanana ka­rakarain’ny klioba TMF izay dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fihaonana misantatra ny fandaharam-potoanan’ny Federation sport automobile malagasy (FSAM), tarihin’ny filoha vaovao Ra­bekoto Jeannot. Hiavaka ity […]

Volley-Mada U18 : Tompon’amboara ny ASI sy ny GNVB

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara,taranja volley, ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona. Voahosotra ho tompon’amboara nandritra izany, ny ekipan’ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy ny GNVB tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-14/25-16/25-15). Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, […]

Lalao ara-pirahalahiana: Mety hifampitana amin’ i RD Congo na i Togo ny Barea

Efa fantatra fa hanao lalao ara-pirahalahiana any France, i Madagasikara, ny volana jona io. Araka ny fanadihadiana natao, mety hifanandrina amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) sy i Togo, i Madagasikara, mandritra ny « fenêtre Fifa » ho avy io. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Lany avokoa ny tahirin-tsolika teny amin’ny manodidin’Ambohitrarahaba sy Analamahitsy, omaly. Nananosarotra ny fitadiavana izany ho an’ny mpanjifa. Hatreto, tsy mbola nisy fanazavana mahakasika ny zava-nisy saingy nampitaraina ny rehetra izany, indrindra ho an’ireo tratra hariva. Ahina ho olan’ny famatsiana amin’izao vanim-potoana ny fety izao ny tranga niseho. Arahi-maso akaiky ny […]

Anjozorobe: Mponina 1 285 nisitraka rano fisotro madio

Antoky ny fampandrosoana ifotony ny fisitrahana rano fisotro madio. Nahazo ny anjarany, tamin’alalan’ny fi­kam­banana Amitié Mada­gascar Ile de France (Amif), ny fokontany Antanetibe, Ala­kamisy ary ny Lisea ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Notokanana tany an-toerana, ny alakamisy teo, ireo fotodrafitrasa goavana, ahitana fitahirizan-drano 15m 3, ny tambajotram-pamatsian-drano ho an’ireo paompy sy ho […]