Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tetsy Anosibe, ny alahady atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany, lasa teo. Nisangisangy ary heverina ho raikitra ady teny afovoan’ny arabe akaikin’ny Rond-point « Akoho », ireo roa lahy, 42 sy 38 taona. Voalaza fa mamo ny lehilahy iray tamin’ireo izay nitarika ny ady, raha […]
Other News
Sekretera nasionalin’ny Arema: «Tokony hohenoina ny feon’ny vahoaka»
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Arema. Nitodika amin’ny rehetra izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, fa efa nampianarin’ny ray aman-dreny hifankatia sy hifanasoa ny Malagasy rehetra. “Aoka isika samy hitady ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana”, hoy izy. Notsiahiviny fa nisintona ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny ny Arema […]
Fanodinana ny vokatra cacao : Manomboka liana amin’ny fanjifana sokola ny Malagasy
Efa miha liana amin’ny fanjifana sokola ny Malagasy, raha ny zavatra hita sy tsikaritra nandritra ny Foaran’ny sokola tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy teo. Anisan’ny sakafo ankafizin’ny besinimaro ny sokola noho ny hamaroan’ny tombontsoa entiny amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Sakafo mitahiry singa maro ilain’ny vatana ny sokola. Sakafo […]
TARATRY ny KANTO
Raikitra indray ny « Concert à l’U », na ny fampisehoana zavakanto eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Hotontosaina ny zoma 18 avrily izao izany, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Craam Ankatso. Hifandimby an-tsehatra amin’io ry Kabôsy Spirity, Mbaoé, MTF, Rolf ary ny Vain’Af. Gadona maroloko, kanefa maneho ny lokon’ny mozika fanome sehatra eny […]
Na sarotra aza ny lalana : Manohy ny diany ny tarika Honoré Soukouss
Taona 1998, nikirakira sy nandalina mozika Rakotonjanahary Honoré, mitondra ny solonarana “Honoré Soukouss”. Mamoron-kira, mihira, mitendry zavamaneno ary mandrindra azy ireo. Nipoitra avy ao amina fianakaviana mpihiragasy izy. Anisany nanampy betsaka azy amin’ny fampiakarana hatrany ny lentan’ny mozika lalaoviny ihany koa ny naha mpikambana azy teo anivona antoko mpihira. Mirona […]






