Manomboka any amin’ny “Mampirevy”, rakikira voalohany, ka hatramin’ireo hira nivoaka farany no fehezina anatin’ny “Zara Revy”. “Efa sy sasany”, ka hotetezin’i Samöela an-kira izay 30 taona izay. 1995 -2025. 30 taona lasa izay ny nanitsahan’i Samöela ny sehatry ny CGM Analakely sy ny Alliance Française Andavamamba, izay nanombohany tamin’ny mozika. […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny asa ny fanavaozana nataon’ny fitondram-panjakana ny lalàna mifehy ny asa, araka ny nambaran’ny talen’ny biraon’ny OIT, Frederick Muia. Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, ny tenany, afakomaly. Hatao “Digitalisation” koa ny fitsarana momba ny asa. Nanatanteraka ny asa tanamaro niarahana tamin’ny […]
Depiote Rabenirina Mamy: “Anjaranay ny mampahatsiahy ny tsy mety”
“Ny anjaran’ny mpanohitra dia mampahatsiahy ny fitondrana ny zavatra tsy mety. Milaza ny hevitra tsy voatery hifanaraka amin’ny hevitry ny mpitondra fanjakana izany”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Maminiaina Solondraibe, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Izay hatrany no nataon-dry zareo nandritra […]
Mila sarotiny!
Efa mba nitsahatsahatra ny orambe mikija tato ho ato. Mazava ny filazana avy amin’ny mpamatatra ny toetry ny andro. Tsy misy atahorana intsony aloha ny fitohizana lavareny. Somary mba hihena ihany koa, araka izany, ny firidan’ny fiakaran’ny renirano, nampitondra faisana tao anatin’ny andro vitsivitsy. Tsy midika akory izany fa […]
Fifidianana ben’ny Tanàna : Efa afaka maka ny anto-bolany ireo kandidà
Efa nivoaka ny fanapahana ahazoan’ny kandidà ny anto-bolany tamin’ny niatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, ny 11 desambra teo. Tsy ny rehetra anefa no hisitraka izany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany fa efa tokony haka ny anto-bolany ireo kandidà tamin’ny fifidianana farany teo. “Efa azo alaina any […]






