Hiovaova isam-bolana ny vidin-tsolika, hifanaraka amin’ny vidiny iraisam-pirenena. Mila mizatra izany ny mpanjifa, satria anisan’ny fepetra napetraky ny FMI io. Niova nanomboka omaly 5 febroary ny vidin’ny solika eto Madagasikara. Mihatra, araka izany, ny fampifanarahana azy amin’ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Niakatra ho 4 890 Ar ny litatry ny […]
Other News
TSELATRA
Rongony 375 fototra nongotan’ny zandary tao Sahabe, fokontany Mahatsinjo, kaominina Ambanivohitra Ambohibary, omaly. Nosavain’ny mpitandro filaminana ny toeram-ponenan’ny lehilahy iray. Tratra tao aminy ireo rongony ireo niampy roa gony ary roa harona plastika. Olona roa niara-voasambotra. Ankoatra io, rongony roa fototra koa nogiazan’ny mpitandro filaminana teny Ankatso II, omaly. Lehilahy […]
Ankadikely Ilafy: Lehilahy nahatrarana fitaovam-piadiana
Nosamborin’ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nahatrarana basy tsy ara-dalàna tao Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 4 febroary teo. Naharay fampahafantarana tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mitondra fitaovam-piadiana mandehandeha io lehilahy io. Nidina nijery ifotony ny raharaha ny polisin’ny UIR. Nosavaina ilay voatondro ka nahatrarana pistolet calibre 7,65 mm. […]
Maty teny Ambohitrimanjaka: Natao fombafomba vao hita ny razana
Nanaovana fombafomba araka ny fanaon’ny mponina eny an-toerana ny fitadiavana ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy 23 taona, maty namono tena tao amin’ny ranon’Ikopa, teny Ambohitrimanjaka, ny alahady tamin’ny 8 ora alina lasa teo. Tonga teny amin’ny ranon’Ikopa ireo fianakaviana sy ny fokonolona nanatanteraka izany, ny alatsinainy maraina. Rehefa tsy nahita azy teny […]
Trafikan-tsokatra : Sinoa roa lahy nogadraina eny Tsiafahy
Mazava izao ny resaka! Teratany vahiny ny ankamaroan’ny mpanao trafikan-tsokatra eto Madagasikara. Malaza ny teratany sinoa. Nisy roa lahy naiditra eny Tsiafahy, omaly. Ny eo tratra, ny etsy mipoitra. Tra-tehaka teny Talatamaty, ny alahady 2 febroary teo, ny teratany sinoa miisa roa, nahatrarana sokatra miisa 17 tao an-tranony. Karazana Angonoka […]






