Other News

Ny teo ihany no eo!

  Hiaka-dapa, anio, indray ny mpikambana ao amin’ny fahefana mpanao lalàna, eny Tsimbazaza. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny solombavambahoaka. Handrasana izay ho fivoarany, fa ny iaraha-mahita aloha, mbola mijaridina tsara ilay andrimpanjakana. Tsy mihontsona amin’izay fitakiana fandrodanana azy, nataon’ny Gen Z. Raha atao indray […]

Famelomana lakolosy : Tsy voafetra amin’ny raharaham-panjakana

Eo am-piketrehana ny volavolan-dalàna mahakasika ny fisintonana lakolosy ny tomponandraikitra. Nisy ny atrikasa mahakasika izany, omaly, teny Ankorondrano. Notanterahina teny An­koron­drano, omaly, ny atrikasa fampahafantarana ny volavolan-dalàna ma­hakasika ny famelomana lakolosy. Nisitraka izany manokana ny solombavambahoakan’i Madagasikara. Mivoitra, araka io volavolan-dalàna io, ny filazana fa tsy mijanona amin’ny fitantanana ny […]