Eo am-piketrehana ny volavolan-dalàna mahakasika ny fisintonana lakolosy ny tomponandraikitra. Nisy ny atrikasa mahakasika izany, omaly, teny Ankorondrano.
Notanterahina teny Ankorondrano, omaly, ny atrikasa fampahafantarana ny volavolan-dalàna mahakasika ny famelomana lakolosy. Nisitraka izany manokana ny solombavambahoakan’i Madagasikara. Mivoitra, araka io volavolan-dalàna io, ny filazana fa tsy mijanona amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ihany izany fa mivelatra amin’ny sehatra tsy miankina ihany koa. Azo atao tsara ny misintona lakolosy any anatin’ny seha-piasana. Azo atao amin’ny endriny maro izany, toy ny fampandrenesana ny tomponandraikitra ny amin’izay fomba fiasa na toe-javatra tsy mety: ahoana ny fomba hanarenana an’izay? Fanarenana izay tsy mety eo an-toerana na eto amin’ny firenena no zava-dehibe. Marihina fa tsy natao ho fanenjehana izany. Raha hita fa ilaina ny mamoaka izany aty ivelany dia azo atao tsara ny fanairana toy ny fitorohana any amin’ny manampahefana: ny polisy na ny zandary mpikaroka fandikan-dalàna, ny Bianco… Azo atao ny manao fitoriana avy hatrany rehefa misy zavatra hita fa tsy mety.
Mila mipetrapetraka
Farany, voalazan’ity lalàna ity fa tsy maintsy jerena koa ny fomba hametrahana ny mpamelona lakolosy. Zava-dehibe ny fanaovana fanairana amin’izay mahakasika ny aim-pirenena izay. Raha misy, ohatra, ny fandotoana na fanariana loto ataon’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ny renirano ampiasain’ny vahoaka eny ifotony, azo atao ny fanairana ivelany sy ampahibemaso amin’izany. Apetraka koa ny fomba hahazoana miantoka ny fikirakirana ny fanairana na fisintonana lakolosy.
Marihina fa nikarakara ny hetsika ny eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana ( CSI). Anisan’ny nitondra ny famelabelaran-kevitra sy ny fanazavana ny Sekretera mpanatanteraka, Razafimandimby Tsiry, izay nilaza fa : “Izay rehetra heverina fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna izany dia azo amelomana lakolosy avokoa, ary tsy maintsy arovana ny mpamelona lakolosy.”
R. Nd.




