Tsy mandrimandry be ihany ny tanàna amin’izao? Mirongatra ny asan-jiolahy: tsy andro tsy alina, tsy an-tanàn-dehibe tsy ambanivohitra… Zava-tsy inona, mety amoizana aina na aharatrana tsy amin’ny antony. Nahoana? Misy milaza fa miparitaka ny fitaovam-piadiana tsy fantatra hoe avy aiza, tsy miraharaha na matahotra fanjakana ny olon-dratsy, ao ny […]
Other News
Adin’i Rwanda sy i RDC Congo: Handefa miaramila dokotera i Madagasikara
Mametraka ny tanjany amin’ny resaka diplaomasia ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nilaza ny handefa miaramila mpitsabo any Congo izy hanampy ny ekipa efa an-toerana. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fihaonamben’ny troikan’i Sadc ho mpiantsehatra fa tsy mpitazana i Madagasikara. Manoloana ny ady ifanaovan’i Rwanda sy Congo dia hanome fanampiana eo […]
TSELATRA
Lehilahy nahatrarana trondro 5 kg nalaina tao amin’ny farihin’i Masay, ny alin’ny sabotsy 01 febroary teo. Amidiny eny an-tsena vao maraina ireo entana ireo ka anisan’ny hanamparihany izany ny eny Behoririka. Nogiazana ireo trondro sy ny fitaovam-panjonoana toy ny harato teny aminy. Kilan’ny afo ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha […]
Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : Tratra ireo telo lahy mpamaky fasana
Fasana lehibe fito sy fasana 12 hafa nasesin’ny olon-dratsy telo lahy novakiana tao amin’ny fokontany Manompana, kaominina Soanierana Ivongo, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 31 janoary teo. Nahare feon’alika nivovo tsy toy ny nahazatra ny raim-pianakaviana nonina tsy lavitry ny toerana nisy ny fasana tamin’ny 10 ora alina mahery. […]
Antanimena : Mpitondra moto maty tsy tra-drano
Nidona tamin’ny andrin-jiro, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto marika Yamaha Cygnus I teo Antanimena, omaly alina tamin’ny 9 ora alina. Avy any amin’ny rond-point, nikasa hidina ny lalana mampitohy an’Ankorondrano io mpitondra moto io. “Nandeha mafy izy ka tsy nahafehy ny familiana intsony”, hoy ny fintataran’ireo nanatri-maso. […]






