Nifarana ny sabotsy teo, ny kotrana sy ny fanazaran-tena nataon’ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny « Afrobasket 2025 ». Fanazaran-tena natao teny Imerikasinina sy teny Mahamasina. Nisy mihitsy ny fandaharam-potoana narahan’ireo mpilalao tamin’izany. Hihamatotra izany fanazaran-tena izany, manomboka anio, ka hivondrona eny amin’ny Cnaps […]
Other News
DAKA AN-JORONY: Tanan-tsotro tsy an-tany tsy am-parafara
Efa afaka misioka ny mpitia baolina kitra fa fantatra iny ny ho mpanazatra ny Barea A. Ela niandrasana saingy ela nahamasaka ny nahandro ary ela nahabe ny vitsy. Ny vokatra sisa andrasana. Fa etsy an-kilany, zary lasa hadino ny Barea «Chan». Taorian’ny fihemoran’ny fifaninanana mantsy, nanohy ny fanomanana tamin’ireo lalao […]
Ravatomanga Maminiaina: Filoha vaovaon’ny Federasion’ ny golf malagasy
Nandray ny toerana maha filohan’ny Federasiona malagasin’ ny Golf, afakomaly, Ravatomanga Maminiaina. Goavana ny fanamby napetrany, toy ny fidiran’ny taranja ao anatin’ny kaomity olympika. Hitantana ny Federasiona malagasin’ ny Golf (FM Golf) mandritra ny efatra taona manaraka, Ravatomanga Maminiaina. Nametraka fanamby goavana hampivoarana io taranja io izy. “Mazava ny vina […]
Rugby eny amin’ny kartie : Tanjona ny hiakaran’ireo mpilalao any amin’ny sehatra avo
Nankalazaina teny Ankatso, omaly, ny fahadimy taonan’ny sekoly mpitaiza ankizy amin’ny baolina lavalava, AJS. Nisy ny fifaninanana izay nokarakarain’izy ireo nentina hanamarihana izany. Ireo ekipan’ny kartie no tena nifanintsana teny an-toerana. Taranja iray azo lazaina fa mahavory ny Malagasy maro ny lalao rugby. Nilaza Rakotoniaina Mbola Lalaina Joel, mpitaiza ankizy […]
TARATRY ny KANTO
Tontosaina isaky ny sabotsy voalohan’ny volana, ny atrikasa mahakasika ny sary, ao amin’ny Ivon’ny Kolontsaina Malagasy, na ny IKM eo Antsahavola. Nitarika, ny sabotsy teo, i R-Aly, mpanao tantara an-tsary sy sariitatra, izay mpanoro sy mpamolavola ireo tanora amin’ity seha-kanto iray ity. Manokatra ny lalana ho an’ireo izay liana amin’izany […]






