Nandritra ny firotsahan’ny orana matetika tato ho ato, nahitana fidinany kely ireo vary vao na ny vary aloha eny anivon’ny tsena. Anisan’ izany, ny vary tsipala sy ny semence. Tsy mbola nahitana fihenana kosa ireo vary tranainy toy ny vary gasy sy ny makalioka. Nahitana fidinany 50 hatramin’ny 150 Ariary […]
Other News
Fanajana zon’olombelona: Anisan’ny anaovana tombana any Genève i Madagasikara
Fitsapana hamantarana ny toeran’ny firenena iray sy ny andraikiny amin’ny fampiharana ny zon’olombelona ny «Examen périodique universel» (EPU), nanomboka any Genève, omaly. Anisan’ny firenena miatrika izay fanadihadiana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izay i Madagasikara. Nitarika ny delegasiona sady mitarika ny fivoriana any an-toerana ny minisitry ny Fitsarana sy ny minisitry […]
« Diplôme d’Animateur Fédéral »: Dingana ahafahana mampianatra karate
Tanjon’ny Federasiona ny Karate-do Malagasy ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny mpikatroka ao aminy. Singa iray anisan’ny hahatratrarana izany tanjona izany ny fananana mpampianatra manana ny maha izy azy sy manana traikefa ary indrindra manana fahalalana miroso manaraka ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Dingana voalohany mila hatao ny fanarahana ny fiofanana […]
Faritanin’i Fianarantsoa : Nomena torolalana ireo ben’ny Tanàna vao voafidy
Mitohy hatrany ny fifampizarana sy fampitana traikefa amin’ireo ben’ny Tanàna, vao voafidy farany teo. Anjaran’ny any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa indray no nanatanterahana izany ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nitarika ny fanofanana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny […]
fanamboaran-dalana: Vita ny 70% ny vahilava Kiembe, Toliara
Tratry ny tondra-drano matetika ny tanàna ao amin’ny fokontany Mahavatse sy Kiembe, distrika Toliara I, satria iva toerana. Mora sarona noho ny fiakaran’ny ranomasina sy ny orambe. Koa, hamafisina ny vahilava Kiembe efa misy, mirefy 1,8 km, mandalo ny seranan-tsambon’i Toliara (PK 2 +400) sady hitarina ho 5 km, mampifandray […]






