Other News

Fitantanana: Paikady ho an’ny fampiasam-bolam-panjakana

Notanterahina ny alakamisy teo, teny Anosy ny atrikasa ha­natsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana. Tanjona ny hanatrarana 5% ny harinkarena faobe amin’ity taona ity. Noho izany, nofaritana nandritra ny fihaonana ireo lesoka teo aloha ka nandrosoana vahaolana mitondra mankany amin’ny fanovana ny fomba fiasa. Asa mahitsy, fahavononana, fanoloran-tena, fanarahana ny lalàna […]

« Sommet Africain de l’énergie-Mission 300 »: Hametraka ny fifanarahana momba ny angovo nasionaly i Madagasikara

Ho fantatra mandritra ny fihaonamben’ny filoham-panjakana ao Dar Es Salaam-Tanzanie, ny fifanarahana momba ny angovo nasionaly apetraky ny filoham-pirenena ho an’i Madagasikara. Anisan’ireo firenena hanolotra ny fifanarahana momba ny angovo na­sionaly (Pacte nationale pour l’énergie), izay hamaritra ireo tanjona momba ny angovo mila tratrarin’ny firenena tsirairay, mandritra ny fihaonamben’ny filoham-panjakana […]

VAOVAO TAMBATRA

Nanao vonjitaitra vaky namonjena ny fahavakisan’ny fefiloha eny Malaza Ampitatafika, ny fanjakana, omaly. Miisa 2 000 ny gony misy fasika entina hanarenana ny fefiloha. Teo koa ny fanomezana masomboly miisa 480 fonosana sy zezika manodidina ny 6 taonina, ity farany izay ho tonga eny an-toerana afaka efatra andro. Nentanina koa ny […]

Trafika sokatra: Tambajotra hafa ny an’ilay depiote

Nanampy fanazavana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, omaly, mahakasika ny nandravana ny trafika sokatra iray teto amintsika. Fantatra fa tambajotra hafa mihitsy no iarahan’ilay solombavambahoaka nahatrarana sokatra miisa 112, ny 26 desambra 2024 teny Ambohibao. Raha ilay tambajotra rava ny faran’ny herinandro teo, […]