Miovaova ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mahatonga izany ny famokarana ny bateria ho an’ny fiara eletronika. Miankina amin’ny lalan’ny tolotra sy ny tinady ny vidin-javatra. Araka ny vaovao navoakan’ny gazety boky mahakasika ny toekarena iraisam-pirenena, Agence Ecofin, tafidina 14 800 $/t ny vidin’ny nikela ny 3 janoary ary nisondrotra […]
Other News
TARATRY ny KANTO
“Mahiratra aho”, tontolo andro ho an’ny soratra mivoitra. Hotontosaina ny sabotsy 1 febroary izao ity hetsika ity, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Hisy ny fandefasana horonantsary, fampirantiana ary atrikasa manodidina ny tontolon’ny soratra mivoitra, sy hanasongadinana ny maha zava-dehibe azy ho an’ireo olona manana olana amin’ny fahitana. “Isika roa”. […]
Volana febroary : Hanao hetsika misesy ny Sehatra Bagasy
Raha ny vaovao azo farany. Hanatanteraka hetsika roa misesy ny Sehatra Bagasy amin’io volana febroary io. Ny tolakandron’ny sabotsy 1 febroary, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Hanatanteraka ny «Asaramanitra bagasy» izy ireo sy izay liana amin’ny tontolon’ny ba gasy. Ny sabotsy 8 febroary, hiatrika avy hatrany ny «Totorebika […]
Fespaco – Ouagadougou : Sarimihetsika malagasy roa no hifaninana
Hantenaina hamirapiratra mandritra ny Fespaco, andiany faha-29, any Ouagadougou ny sarimihetsika malagasy. Nahatafiditra roa, amina sokajy samihafa mantsy ireo Malagasy mpanatontosa. Mitohy ny lalan’ny “Sitabaomba”, horonantsary novokarin’i Lova Nantenaina. Anisan’ireo voafidy hifaninana mandritra ny “Festival Panafricain du cinéma et de la télévision de Ouagadougou”, na ny Fespaco, andiany faha-29, hotontosaina […]
FANTINA sy FINTINA
Hanatanteraka ny politikan’ny fanovana ny rafi-pamokarana i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny tale mpandrindram-paritry FAO aty Afrika Atsimo sy Atsinanana, i Talla Patrice. Fantatra koa fa hapetraka ny paikady iadiana amin’ny valala ka hampiasana angindimby manokana. Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ben’ny […]







