Niatrika ny fananganan-tsaina, voalohany niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, omaly tetsy anolon’ny lapan’ny Tanàna, Analakely. Tsotra ary mazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Hiaraka hiasa isika ary hitady vahaolana hanarenana ny tanàna satria isika no tompon’andraikitra voalohany amin’izany”, hoy izy, nanoloana ireo […]
Other News
Manahirana !
Tsy hita be ihany ny iainana eto an-drenivohitra, manoloana ny fivoaran’ny toetr’andro. Nampikaikaika ny haintany sy ny tsy fisian’ny rano tamin’ny faran’ny taona. Izao, dobo-drano indray ny ankamaroan’ny faritra. Vaky ny fefiloha, petsapetsa ny tanàna, mitsikafona ny maloto. Misy ny tsy manankialofana andaniny, misy ny tandindomin-doza amin’ny aretina isan-karazany, […]
Governora Rasoamaromaka Hery: “Hiara-hiasa akaiky amin’ireo ben’ny Tanàna izahay”
Vita ny fifidianana. Maro anisa ny olom-boafidy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Manaporofo ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana izany. Naneho fahavonona ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Hiara-hiasa akaiky amin’ ny ben’ny tanàna vaovao ny faritra Analamanga. Toky nomen’ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery izany, omaly, tetsy Ambohidahy. Zava-dehibe rehefa olona afaka […]
TSELATRA
Zazarano narian-dreniny tao anaty tatatra teny amin’ny 67 Ha Atsinanana, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Zaza ahina ho nesorina io hita faty io. Natsipy tany anaty lalan-drano izy ka notsindrohan’ny alika. Zaza mianadahy iray tampo namoy ny ainy natelin’ny rano tao amin’ny reniranon’i Linta, kaominina Androka, distrikan’Ampanihy Andrefana, ny 26 […]
Fanolan-jazalahy 4 taona: Mitaky ny hampiharana ny sazy ny fianakaviany
Mitaky ny hampiharana ny sazy ho an’ireo roa lahy izay efa notanana eny Tsiafahy sy ilay eny amin’ny fonjan’ny zaza maditra eny Anosiala, ny fianakavian’ilay zazalahy 4 taona voaolana. Nihemotra hatrany ny fitsarana ny raharaha nahavoasaringotra ireo roa lahy tamin’ny fanolanana teny Ambohimangakely, ny 16 desambra lasa teo. Zazalahy 4 […]







