Other News

Fampirantiana hosodoko etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Mpanatalenta 17 no mampiranty ny sanganasany eny an-toerana. Mandray anjara amin’ilay hetsika iraisam-pirenena, amin’ny fanatrarana ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra izy ireo, izay miainga avy any amin’ny ZeeArts any Dubaï. Nisy ny fikotrehana nandritra ny 24 ora, namoahan’ireo mpa­nakanto ny aingampanahiny. Revy Lôlô sy […]

Manomboka mivelatra amin’ireo firenena afrikanina hafa

Vokatra voalohany anisan’ireo nahaliana ny eto an-toerana sy ny any ivelany ny « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Taorian’ireo fifaninanana maro natrehiny sy ny amboara maro norombahiny, mitohy hatrany ny fampivelarana azy. Taorian’ny fitetezam-paritra teto Madagasikara, nampahafantarana ny horonantsary « Disco Afrique: l’histoire Malgache ». Mitohy any amin’ireo firenena afrikanina hafa ny fandefasana ity […]

“Ho tiavinay … Madagasikara”: hisy ny velakevitra momba ny sary pika

Tanterahina ny sabotsy 11 janoary izao, eny amin’ny Cites des Cultures Antanina­renina, ny velakevitra « La photographie documentaire et le photojournalisme : lumière en temps de crise ». Ao anatin’izany no hiresahana mahakasika ny maha izy ny sary pika eo amin’ny horonantsary fanadihadiana sy eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety. Iako […]

FJKM Ambatonakanga: hanolotra ny « Epifania maneran-tany » ny Afatra

Tamin’ny alalan’ny Afatra (Antoko mpihira Fifohazana Ambatonakanga Tranovato), avy ao amin’ny FJKM Trano­vato Ambatonakanga, lasa toeram-piderana ho an’ny fetin’ny Epifania ny ao Am­ba­tonakanga. Nanomboka ny taona 2014, tsy nitsahatra nanolotra antsan’ny Epifania ny Afatra. Epifania, ankalazaina isaky ny alahady faharoa aorian’ny Krismasy. Ny alahady 12 janoary izao, hanolotra ny amboaran-kira […]

Kolontsaina isam-paritra: mila omena lanja ny haren’ ny fahasamihafana

Efa misy ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasamihafan’ny kolontsaina (JMDC). Fanapahan-kevitra ahatarafana fa mila omen-danja ny kolontsaina tsirairay mba hisian’ny lamina tsara petraka ao anaty fiarahamonina. Ho an’ny mpandinika momba ny fifandraisana sy fifamatoran’ny kolontsaina sy ny fiarahamonina: « voajanahary ho an’ny zavaboahary ny fahasamihafana”. Noho izany, mila omena […]