Other News

Indray mijery

 Toa zary iri-mahaory ny rivodoza amin’ny toerana sasany satria tena io no heverina hahazoana orana sisa. Maina loatra ny tany, miandrandra orana ny ankamaroan’ny faritra maro fa tena mijaly ny fambolena. Tsy mbola hay na hipaka aty amin’ny afovoantany izay efa tena karakaina ny orana entin’ilay andro ratsy na tsia. […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Tsy misy indrafo ho an’ireo mpangalatra tany”

Anisan’ny nitondra fanazavana ny momba ny paikady sy ny fepetra iadiana amin’ny mpangalatra tany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina, tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, teny Iavoloha. Niaiky ny tenany fa anisan’ny mampikaikaika ny olona izany ka nametrahana ny paikady iadiana amin’ny kolikoly sy ny […]

Vondrona mpanohana ny fitondrana: “Tokony hosoloina ireo tomponandraikitra mitavozavoza…”

Nanao fanambarana tetsy Antaninarenina ireo vondrona politika, mpanohana ny fitondrana. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy ny filohan’ny Repoblika ihany no tompon’andraikitra eto. Eo ireo olom-boafidy sy olom-boatendry tokony hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja aminy, araka ny fanambarana. “Iombonana hevitra ny tokony hanoloana ireo tomponandraikitra mitavozavoza sy vato misakana, ka […]

Ravalitera Jacques Michaël: “Mila mifampiresaka ny samy raiamandreny”

“Mila henoin’ny zanaka ny raiamandreny. Na raiamandreny ara-pitondrana io, na ara-drazana, na ara-pivavahana. Nefa tokony hihaino ny zanaka koa izy ireo. Ilaina izay fifampiresahana izay, raha tiantsika ny hampivoatra ny tontolo”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, teny Alaro­bia, omaly, manoloana ny […]

Governora Faritra Diana: “Ilaina ny fahamarinan-toerana politika”

“Tombony ho antsika Malagasy ny fananantsika firenena milamina, indrindra ny fahamarinan-toerana politika”, hoy ny governoran’ny Faritra Diana, Rakotomanga Taciano, tany Antsiranana, omaly, momba ny toe-draharaham-pirenena. Harena sy rehareha izay filaminana sy fahamarinan-toerana izay. Ao anatin’ny vanim-potoana iantsoana ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka maro ary ny mpandraharaha hampiasa ny volany […]