Other News

Tao anatin’ny 12 volana : Tsy nitsaha-niakatra ny vidim-bary

Tsy mitsahatra mitombo sady tsy marin-toerana ny vidim-bary nandritra ny herintaona. Nahitana elanelana hatramin’ny 1000Ar isaky ny kilao ny vidiny eo amin’ny tsena anatiny. Mitombo hatrany ny vi­dim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana, raha nanomboka tany amin’ny 2 400Ar ny kilao ny volana janoary. Ankehitriny, tafakatra hatrany amin’ny 4 000Ar ny […]

TSELATRA

Na eo aza ny fisian’ireo mpitandro filaminana eo Ambohijatovo, manao ny ataony hatrany ny mpanendaka. Efa-mianaka avy nijery jiro mirehidrehitra teny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo no niharan’ny fanendahan-jiolahy, ny faran’ny herinandro teo. Lasan’ireo mpanendaka ny vola sy ny finday avo lenta avy nakan’ izy efa-mianaka sary. Voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany […]

Andoharanofotsy : Tra-tehaka ilay nisandoka ho inspektera

Nosamborin’ny zandary na­nao fisafoana ny lehilahy ni­sandoka ho inspektera, teny Andoharanofotsy, ny 28 de­sambra teo. Nitaky vola amin’ ireo taxi-be mpitatitra eny an-toerana io mpisoloky io. Nan­dalo nanao ny asany, tsikaritry ny mpitandro filaminana ny fi­hetsika mampiahiahy ataon’io lehilahy io. Voatery nanama­rina ny tena anton’asan’ilay voa­­­laza fa mampiahiahy, araka izany, […]

Mandrosoa Ivato : Sinoa nahatrarana cocaïne tao anaty hotely

Tratra niaraka tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika (Cocaïne) tao amina trano fandraisam-bahiny iray eny Mandrosoa Ivato, omaly, ny teratany sinoa iray 49 taona. Nahazo fampitam-baovao mialoha ireo zandary miasa sy manao asa fisafoana eny Mandrosoa Ivato, momba ny fisian’ity sinoa mpanao trafikana cocaïne ity. Mipetraka ao amina hotely iray izy io, […]

Adiny roa nifampitadiavana: Mpianaka niara-maty natelin’ny rano

Niara-namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy vokatry ny ora-nikija tao Fenoarivobe, omaly maraina. Nentin’ny rano izy mianaka. Ora iray taorian’ny nahalasa ny rano azy, hitan’ ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ny renim-pianakaviana iray, 34 taona, nentin’ny rano tampoka, tao Ambo­hi­manatrika, fokontany Ankadi­be­vava, kaominina […]