Other News

Boky « Restez vivants » : Manoritra ny lalan’ ny Slam malagasy

Boky voalohany mirakitra ny tantaran’ny Madagaslam, indrindra ny eto Antananarivo sy ny manodidina, ny « Restez vivants ». Na Hassi, anisan’ireo mpiangaly ny Slam poésie sangany eto Madagasikara no niandraikitra ny fanoratana izany. Nandritra ny Slam national 15 farany teo no nivoahany. Ankoatra ny tantaran’ny Madagaslam sy ny fihetsiketsehana nataony hatramin’izay, hitantarana olona […]

WMG : Nivoaka ny andiany “Tsimoka”

Notolorana mari-pankasitrahana tetsy amin’ny foiben’ny Wednesday Morning Group (WMG) Ambatoroka ireo mpianatra 16 mirahavavy, omaly. Andiany faharoa, nosalorana ny anarana Tsimoka, izy ireo. Nahavita ny fiofanana maimaimpoana mahakasika ny tontolon’ny zaitra nandritra ny 9 volana izy ireo. Avy amin’ny fianakaviana sahirana avokoa ireo vehivavy nisitraka ny fiofanana eo anivon’ny fikambanana. […]

Vovonana Yltpianina : « Aoka ho tony sy tsy hikorontana”’

Nanao fanambarana ny Vovonana Yltpianina, tarihin-dRanaivoarison Johnny Lemriss, taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Nambarany fa anisan’ny fepetra takin’ny asa fampandrosoana isan-tsokajiny ny fitoniana sy ny filaminana ary indrindra ny fanajana ny safidim-bahoaka. Manana adidy lehibe ireo hitantana ny tanàna mba hitandro ny tombontsoa iombonana. “Koa miantso ny rehetra izahay mba ho […]

Fiarovana ny sisintany : Atrikasa momba ny fitaovana miasa amin’ny sehatra sivily

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Hotely Radisson Blu Ambodivona, ny alatsinainy 16 desambra 2024 teo, ny atrikasa momba ny fametrahana lisitra ireo akora na fitaovana azo ampiasaina amin’ny sehatra sivily sy miaramila. Anisan’ny mpikambana ao amin’ny Firenena mikambana i Madaga­sikara izay namoaka fehin-kevitra 1 540 momba ny fitaovam-piadiana mahery vaika. […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny alahady lasa teo, teny Am­bohidava, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja fanamoriana Motocross MX1. Voahosotra ho tompondaka fanintelony, amin’ity taranja ity, i Mathias Plantive, raha toa ka faharoa, i Claudio Tida. Tsiahivina fa miisa sivy ny dingana natao teto Madagasikara, nandritra ity fifaninanana nasionaly ity. Mazava ny […]