Anisan’ny mahavariana sy mampiaiky ny vazaha amin’ny Malagasy, hono, ny famaliana fanontaniana ny fanontaniana, ohatra: “Ao ve dadanareo?” Valiny: “Hataonao inona izy? Misy ilanao azy angaha? ” Fa mahavariana ny vahiny koa ny mbola mahavelona ny Malagasy amin’izao hoe fahantrana izao: lalina, maharitra, manenika… Nahoana, hono, no mbola velona? […]
Other News
Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny Jica: hampiroboroboana ny fampivoarana ireo tanàn-dehibe
Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly, tetsy Anosy, ireo Japoney manampahaizana eo anivon’ny Jica. Misahana ny fampivoarana ny tanàn-dehibe ireto manampahaizana ireto ary hiara-kiasa amin’ny MFFT. Anisan’ny iraka hotanterahin’izy ireo ny fanohanana amin’ny fandrafetana ny drafitra ho an’ny tanàn-dehibe, ka anisan’izany ny drafitra […]
TSELATRA
Namoy ny ainy tao amin’ny hopitalibe Tambohobe Fianarantsoa, omaly tolakandro, ilay rasazy may teo anivon’ny CSB II Manakara. Tra-doza tampoka teo anivon’io toeram-piasany tao Manaraka io izy, ny 12 desambra teo. Vokatry ny fahavoazana, voatery nakarina notsaboina tao Fianarantsoa izy saingy izao tsy tana izao ny ainy. Kila hotohoton’ny afo […]
40 tapitrisa Ar very : Vatamafihidy novakin’ny mpiambina
Novakin’ny mpiambina ny birao fiasan’ny orinasa iray eny Ambohimahitsy Ambohimangakely, ny alakamisy 12 desambra 2024 tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Misy vatamafihidy (coffre fort) misy vola 40 tapitrisa Ar tao amin’io birao io. Lasan’ireo jiolahy ny vola rehetra. Nahazo antso fanairana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely momba […]
Nanondraka rano mangotraka: Voasambotra ilay vehivavy
Niakatra fampanoavana tao Mandritsara, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ilay vehivavy 19 taona nanondraka rano mangotraka ny vadiny. Nitrangana fifandirana teo amin’io vehivavy io sy ny vadiny tao amin’ny tanànan’i Farara, kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, ny alahady maraina tamin’ny 8 ora. Nisy vehivavy niantso tamin’ny finday ilay rangahy vadiny. Saro-piaro […]






