Hita faty tao an-tranony vokatry ny fanafihan-dahalo tao Mahasolo, ny 25 desambra 2024, ny renim-pianakaviana iray. Nahazo fampitam-baovao ny zandary notarihin’ny tobim-paritry ny zandary ao Mahasolo momba ny fisian’ity vonoan’olona feno habibiana ity. Feno ratra ny vatany manontolo. Tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 […]
Other News
Namearison Robert : “Tokony havoakan’ny Ceni hatrany ny voka-pifidianana vonjimaika”
Naneho hevitra ny KMF/Cnoe momba ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana. Zon’ny vahoaka ny fahazoana vaovao momba izany, araka ny nambarany. “Tsy tokony hatao takalonaina amin’izany ny fiainam-pirenena. Tokony hitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna natao ho an’ny rehetra. Noho izany, tokony havoakan’ny Ceni hatrany ny voka-pifidianana vonjimaika. Zon’ny […]
TARATRY ny KANTO
« Okay Live », eny amin’ny CCI Ivato. Anisan’ ny hetsika hamaranana ny taona ity hiseho anio manomboka amin’ny 10 ora ity. Fampirantiana ny hakanton’ireo fiara tranainy, arahina fampisehoana nataon’ireo mpanao rap zokiny izany. Hifandimby an-tsehatra ry Ben J, Doublenn, Budha El Taga, Psykopasy, Takodah sy NgahB, sns. Hivalona tsy […]
« Festival Sambaraha » : Fetibe mitohy ny any Fort-Dauphin
Nilatsaka anelanelan’ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona ny « Festival Sambaraha ». Hetsika ara-kolontsaina sy fizahantany tontosaina nanomboka omaly ka hifarana rahampitso alahady izy ity, ao an-drenivohitry ny faritra Anosy. Fetibe mitohy, araka izany, ny ao Fort Dauphin. Ny alakamisy dia efa nosokafana tamin’ny famonoana omby ho nofon-kena mitam-pihavanana izany. Narahin’ny […]
Taona 2025 – Boky : Hivoaka ny Valihan’ Ikaky I
Ny taona 2020, nivoaka voalohany ny boky Valihan’Ikaky. Amin’ny ankapobeny, voasokajy ao anatin’irony boky hoenti-mandalina ny zava-panahy izy tamin’izany. Nanantombo kokoa, mantsy, ny fampianarana sy fanabeazana momba ny fifandraisana sy ny fifamatoran’ny fanahy sy ity zavamaneno ity, raha oharina amin’ny fampianarana mitendry valiha, voarakitra ao anatiny. Nanjary maro be ireo […]






