Other News

VAOVAO TAMBATRA

Malaka ny fifamoivoizana taorian’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy. Somary nangina ny fety tamin’ity taona ity, tsy nahalafo ny ankamaroan’ireo mpivarotra akoho amam-borona eny an-tsena manoloana ny fidangan’ny vidiny. Nahitana fiakarana ihany koa ny ankabeazan’ny entana eny an-tsena. Mponina miisa 1 450 no hisitraka rano fisotro madio ao amin’ny distrikan’i Moramanga, […]

Raharaha volamena tratra teny Ivato : Olona telo niakatra teny amin’ny Pac

Taorian’ny tranga ny ala­tsinainy teo, niakatra fampanoavana teny anivon’ny “Pôle anti-corruption” (Pac), omaly, ireo olona telo voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko volamena milanja 53,73 kilao. Mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra kosa hatramin’izao ilay mpiasan’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny (MAE) voalaza fa nanao sonia ireo taratasy hosoka saika hitondrana ireo bologam-bolamena. Hatra­min’ny ora nanoratanay, […]

Tohitra ody aina bitika : Mila ifandrombonan’ ny rehetra

Tahaka ny firenena maro maneran-tany, miatrika olana lehibe amin’ny fanaraha-maso ny fanoherana ny ody aina bitika «Résistance aux antimicrobiens» (Ram) i Madagasikara. Mampihena ny fahombiazan’ny fitsaboana mahazatra ireo mikraoba mahery fiarovana manohitra ny antimikraoba. Vokany, mananosarotra ny fanaraha-maso ny aretina, mitombo ny saram-pitsaboana ka mitarika amin’ny fahavoazana ary mety hiafara […]

Fampiroboroboana ny orinasa : Sakana ny fihisaran’ny toekarena

Sakana ho an’ny fampiroboroboana ny orinasa sy ny fandraharahana ny fihisaran’ny toekarena, ny olana amin’ny fahatapahan’ny herinaratra ary ny toe-draharaha politika eto amintsika. Mijanona ho fanambin’ireo mpitantana orinasa ny fampiroboroboana ny fandraharahana na teo aza ny olana nosedrainy nandritra ny enim-bolana farany teo. Antony mahatonga izany ny tsy fivoaran’ny toekarena, […]

TSELATRA

Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ilay tovolahy nandaka ka nahatorana teo no ho eo lehilahy iray teny Ambohipo, ny 25 desambra lasa teo. Vatan-dehilahy maromaro samy nidaroka ilay lasibatra saingy io voasambotra io no nandaka teo amin’ny tendan’ny lasibatra ka antony nitarika ny tsy fahatsiarovany tena tamin’ny fotoana nahavoa azy. […]