Hihodina mandritra ny telo volana. Izay ny fandaharam-potoana efa raikitra ho an’i Dama sy i Erick Manana amin’io taona ho avy io. Mialoha izay, hiaka-tsehatra eto Antananarivo sy any Toamasina izy mirahalahy. “Misy trosa tsy voaefa, satria tokony ho teo i Dama tamin’ny seho nankalazana ny faha-15 taona an-tsehatra anay […]
Other News
Finezza Ankadikely: Haneho ny kantony i Zouzar
Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 13 janoary 2025, eny amin’ny Finezza Ankadikely, ny varotra fampirantiana « couleur vif » an’i Taibaly Dilavarhoussen Zouzar, fantatra amin’ny anarana hoe Zouzar Valibhay. Sanganasany miisa 12 no haranty mandritra izany. Ity mpanakanto ity izay manana ny mampiavaka azy sy tena manana talenta tokoa amin’ny fanaovana hosodoko. Fony […]
« Concert classique de midi »: Hiaka-tsehatra ny Choeur et Orchestre d’Andohatapenaka
Tafiditra ao anatin’ny seho faha-154. Hotanterahina ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny talata 17 desambra izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ny « Concert classique de midi » hiarahana amin-dry zareo Choeur et Orchestre d’Andohatapenaka. Hotendrena eny an-tsehatra, amin’io fotoana io, ny sanganasan’ireo andrarezina amin’ny mozika klasika maneran-tany, toa […]
Soratra miteny, teny voasoratra…: Tsy omen’ny manam-pahaizana lanja ny teny malagasy
Sarotra ny teny malagasy? 12 taona nianarana, mbola tsy mahay manoratra teny malagasy ihany. Taona maro no efa nananan’i Madagasikara ny toeram-pikarohana momba ny teny, kanefa, mbola Faralahinjaza hatrany ny teny malagasy. Fa manao inona fotsiny ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana? … Samy be diso avokoa! Soratra miteny, ilazana fa […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 26, 27, 28 ary 29 desambra izao, any Farafangana, ny fifaninanana «Agnambahy mifety» andiany faha-4. Fifaninanana karakarain’ny ligin’ny basikety Atsimo Atsinanana izy ity, iarahana amin’i Minaoharisoa Christiane, Ankoay. Hiavaka ity andiany ity satria hisy taranja hafa hifaninanana ankoatra ny basikety 3×3 sy 5×5. Notsenaina makotrokotroka, ny talata lasa […]






