Notontosaina teny Mahamasina, omaly, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nitondra ny hevitra mahakasika ny tohin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny filohan’ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara, CFEM, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. Nilaza ny tenany fa nisy ny fangatahana natao any amin’ny Federasiona malagasy (FMF), […]
Other News
Olan’ny Barea de Madagascar : Tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana ny mpilaravinahitra
Notanterahana, omaly, tetsy Mahamasina ny loabary an-dasy nandinihana ny hoavin’ny Barea de Madagascar. Nivoitra tamin’izany fa fositra ny tsy fanajan’ny mpilalao mpilaravinahitra ny fitsipi-pitondrantena. Manoloana ny tsy fahombiazan’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea de Madagascar dia nanomana fihaonana narahina adihevitra ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na ny FMF. Nanasana sokajin’ olona maro, […]
Mikatsaka ny tsara hatrany : Nahazo Iso 14001 sy Iso 45001 ny Yas
Fitaratra eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Dingana lehibe ho an’ny Yas ny fahazoana ny mari-pankasitrahana, Iso 14001 sy ny Iso 45001. Misongadina ity tambajotram-pifandraisandavitra ity amin’ny alalan’ny kalitaon’ny tolotra omeny, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fikarakarana ireo mpiara-miasa ao aminy. Nandray ireo mari-pankasitrahana avy amin’ny talem-paritry ny « Certification […]
Taom-piotazana letisia 2024-2025 : Nanondrana 18 000 palettes isika
Tratra ny fatrana letisia naondrana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ity taona ity. « Tafakatra hatrany amin’ny 18 000 palettes ny vokatra nentin’ireo sambo efatra avy any ivelany raha toa ka 16 000 palettes izany tamin’ny taon-dasa. Efa ahitana ny vokatra letisia ihany koa eto amin’ny tsena anatiny », hoy ny tale jeneralin’ny varotra, Razanakoto […]
Toby ao Ranomafana : hanampy amin’ny famokarana herinaratra ho an’Antananarivo
Hamokatra 64MW ka hamatsy ny 25% ny filan’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) sy ny manodidina ny toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano ao Ranomafana, distrika Ankazobe. Hitombo ny angovo ho azo raha hihena kosa ny fiankinandoha amin’ny famokarana herinaratra ampiasana solika fa indrindra hampihena ny vidin-jiro ho an’ny mpanjifa ny fotodrafitrasa […]






