Nandrombaka medaly volamena, Raharvel Jonathan, nandritra ny fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite, tany Budapest, Hongrie. Teo amin’ny 100 m brasse no nifaninanany, izay notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Hotanterahina ny 7 sy 8 desambra izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny “ligue en fête”, karakarain’ny ligin’Analamanga ny taranja basikety. Nisy […]
Other News
Cosafa U17 vehivavy : Hifandona ny Barea sy ny ekipan’i Namibie
Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 11 ora antoandro ao amin’ny kianja Johannesbourg, Afrika Atsimo ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika taranja baolina kitra, sokajy U17 vehivavy na ny Cosafa. Hifanandrina amin’izany ny Barea de Madagascar sy i Namibie, ho an’ny sokajy “B”. Efa any […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: hifanandrina amin’ny «tirs de précision» i Zigle sy i Rocher
Hanomboka anio ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy «sénior» lehilahy. Hiady izany anaram-boninahitra izany ny Malagasy. Efa any an-toerana ireo mpilalao efatra mirahalahy, Racle, Tiana kely, Donald ary i Zigle. Hitodika ao Zenith Dijon, Frantsa avokoa ny mason’ny mpitia fanatanjahantena rehetra manomboka anio, indrindra ireo mpankafy […]
Itaosy: Mpiasan’ny banky nangalatra vola 4 miliara Ariary
Nahodinkodin’ny lehiben’ny banky iray eny Itaosy ny vola mitentina 4 miliara Ar an’ny mpanjifan’io banky io. Tonga nametraka fitoriana ireo niharan’ny halatra sy ny fanodinkodinam-bola. Misy amin’izy ireo no nindrana, nisy kosa nametraka vola tao amin’io banky io. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha ka ireo mpanjifa tonga hijoro vavolombelona […]
Kandidà Harilala Ramanantsoa: Manana tetikasa tena ilain’ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra
Maro ireo vinan’asa kasain’ireo kandidà hotanterahina mandritra ny fe-potoam-piasany amin’ny maha ben’ny Tanàna azy. Misy anefa ny vina fohy ezaka ao anatin’izany noho ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Raha ho an’Antananarivo Renivohitra manokana, laharam-pahamehana ny rano fisotro madio sy ny jiro, izay tena mampijaly ny rehetra ankehitriny. Eo ihany koa ny […]






