Other News

Fiatrehana fifidianana: mikasa ny hanara-maso biraom- pifidianana 2 455 ny Safidy

“Ho an’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly amin’ity, mikasa ny hanara-maso biraom-pifidianana miisa 2 455 miparitaka amin’ny kaominina 205, mandrakotra ny faritra 23 sy distrika 120 eto Madagasi­kara ny Safidy”. Hoy ny Safidy, novakin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly. No­safidina arakaraka ny habetsahan’ny mpifidy ao aminy ireo kamonina ireo. […]

Fandaharanasa Mifampitsimbina : hizarana fanampiana ny tokantrano marefo

Manatanteraka ny toky nomeny ny filoha, Rajoelina Andry. Nantomboka omaly, ny fandaharanasa ”Mifampitsimbina”. Hahazo ny anjarany ny tokantrano marefo isaky ny renivohi-paritany. Notanterahina omaly teny kianja ANS Ampefiloha ny fanombohana ny fandaharanasa “Mifampitsimbina”. Nanokatra izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Nanotrona azy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina […]

TARATRY ny KANTO

Hitohy ao Paris ny hetsika fanomezam-boaninahitra sy fahatsiarovana an’i Ninie Donia. Hifamo­toana ny sabotsy izao ireo mpanakanto sy ireo mpankafy ny mozika malagasy any an-toerana. Hitarika ny hetsika ireo mpitendrin’i Ninie Donia hatramin’izay, ampian’ny tarika Tsivahiny, Toto Mwandjani, Tearano, Blilo, Booshirany, Maurena, Shao Boana, Hazolahy, Anderson Jaojoby, Flavien Rotsaka, sns. […]

AFT Andavamamba: Maro no liana tamin’ny “L’Enfant et le tambour de nuit”

Tontosa omaly tolak’andro teny amin’ny Alliance Françai­se d’Antananarivo (AFT) Anda­vamamba ny fampisehoana an-tsehatra ny “L’En­fant et le tambour de nuit”. Ny Compagnie Miangaly Theatre no nitondra izany. Seho an-tsehatra nahitana angano, teatra noravahina mozika no nentin’izy ireo nanome fahafahampo ny mpankafy azy tamin’izany. Nahaliana ny mpijery tokoa ny fampisehoana. Mari­hina […]

“Mozika an-dalambe” : hetsika hanampiana ireo sahirana

Ny zavakanto ho fanampiana ny mpiara-monina. Raikitra indray ny “Mozika an-dalambe”, ho an’ity taona ity. Hotonto­saina ny sabotsy 14 desambra izao izany, manomboka amin’ ny 11 ora, eny Ampefiloha. Tsy miala amin’ny antom-pisiany hatramin’ny voalohany ny hetsika dia ny fampisehoana zavakanto, hanentanana izay malala-tanana mba hanome ho an’ireo tsy manana. […]