«Mémoires et images». «Tadidy an-tsary», lohahevitry ny fampirantiana eny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha, izay nisokatra omaly izy ity. Fampirantiana saripika miisa 38, maneho ny hakanton’ny tanàna avon’Antananarivo izany. Sary nalaina tany amin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-19 ireo, izany hoe, nanamarika ihany koa ny fanombohan’ny firoboroboan’ny saripika teto Madagasikara. Nosafidian’ny […]
Other News
Festival « Won Together de Sotchi 2024 »: Azon’i Lova Nantenaina ny «Vladislav Mikoshi Victory Award»
Ankoatra ny kalitao teknika. Anisan’ny mampiavaka ity horonantsary ity ny vontoatiny sy ny fahaiza-manao amin’ny fanatontosana horonantsary. Lasan’i Lova Nantenaina ny amboaran’ny “Vladislav Mikoshi Victory Award”» nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena «Won Together de Sotchi 2024» natao tany Rosia, ny 19 hatramin’ny 23 novambra teo. Omaly kosa no nampahafantarina ny amin’ny […]
« Urban heart »: Hetsika ho an’ny tanora
Nisafidy ny hitodika amin’ireo tanora mpankafy zavakanto ny CGM/ GZ, amin’ny hetsika karakarain’izy ireo manaraka. Hotontosaina ny alahady 1 desambra izao ny “Urban heart”, izay hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ity taona ity. Fampiarahana karazan-kanto an-tanàn-dehibe amina toerana an-kalamanjana iray izy ity, ka nosafidiana manokana ny zaridainan’Anosy hanatontosana izany. Ho tafaraka […]
«Kalokalo tsy tontan’ny ela»: Ny Voamaintilany sy i Doda, hihira an’i Therack
Hifamotoana eny amin’ny Le 411 Ambodifasina, ny sabotsy 7 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny tarika Ny Voamaintilany sy i Doda, hanatanteraka ny seho «Kalokalo tsy tontan’ny ela». Hampiavaka ity seho ity ny fihirana ny sanganasan’i Therack Ramamonjisoa, anisan’ireo mpamoron-kira kalon’ny fahiny manana ny lazany. Ho […]
Malaza indray ny « pack » : Mihamaivana ny fianarana zavakanto
Manaraka ny toetr’andro hono! Iharan’izany ihany koa ny fampianarana zavakanto. Nilaozana ny « ampitain-davitra » fa nirosoana tsikelikely indray ny fividianana « pack ». Misy ny milaza fa ampy hampivoatra ny fahaizana ny fampiasana azy io. Ao koa ny mitsipaka izany. Fahiny, fony mbola tsy nisy ny sekoly ahitana rindrina […]






