Other News

Betsi-Groupe : hampandany an’i Harilala Ramanantsoa

Nanao fanambarana ny amin’ny fahavononany hampandany ny kandidà Harilala Ramanantsoa ny fikamba­nana Betsi-Groupe. Ity kan­didà ity izay laharana fahafito mirotsaka hofidina eto Anta­nanarivo Renivohitra. Teny amin’ny Live Hotel Andava­mamba no nanaovana izany, omaly. “Tanjona ny fampandrosoana eny ifotony ary tomponandraikitra voalohany amin’ izany ny ben’ny Tanàna. Tom­bony lehibe ihany koa […]

Mandini-tena sy mijery lavitra

Mikatona anio ny volana faha-11 amin’ny taona. Hiditra amin’ny faran’ny taona isika. Inona no mba vita? Inona no mbola miandry? Mankaiza ny lalan-kizorana? Santionan’ ny fanontaniana manitikitika ny aty fanahy izany. Indrindra ho an’ny isam-batan’olona manam-panahy, tsy resin’izay adim-piainana izay. Vanim-potoana hametrahana fanamby vaovao izao, ankoatra ny fisaorana an’ilay mpahary […]

Fitsarana malagasy : miroso amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa ireo tomponandraikitra

Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fametrahana fitsarana mangarahara. Efa misy ny asa sy dingana ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany. Nifarana omaly ny atrikasa fanamarinana ny didim-pitsarana natao tany Ampefy, nanomboka ny 26 novambra teo. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Rindra, tohanan’ny USAID sy ny Pnud izy ity ary fiaraha-miasan’ny minisiteran’ […]

Betroka : Tafakatra sivy ireo namoy ny ainy

Mpandeha sivy voamarina fa namoy ny ainy, omaly, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao Betroka. Ni­tondra mpandeha avy any Amboasary Atsimo nikasa hihazo an’Ilakaka io karandalana mpitatitr’olona io. Nentin’ny ranotrambo tampoka ny fiara teo amin’ny tetezana ao anatin’ny tanàn’i Betroka, tamin’ny 5 ora hariva, ny 28 novambra teo. Nivadika ny fiara […]

Nanapaka ny tendan’ny namany: Voaheloka an-terivozona Ralinasinavola

Niakatra teny amin’ny fi­tsarana ambony Toamasina, sampana misahana ny ady heloka bevava, omaly ny an­tontan-taratasin’ady laharana faha-129-Toa/24. Trangana vono olona niseho tao Amba­latenina, kaominina ambanivohitra Fetraomby, disitrikan’i Brickaville, ny 17 marsa 2023. Raha ny fifandaharana nandritra ny fitsarana, niaraka avy any ambanivohitr’Amba­latenina nitondra akondro manta namidy tany Brickaville Ralinasinavola sy Sampilahy […]