Ao anatin’ny ran’ny Malagasy rehetra hatramin’izay ny fanajana ny zokiolona, raha ny zava-misy niainan’ny Ntaolo fahiny. Efa manomboka mihalefy tsikelikely ny tsy fanajana intsony ny zokiolona. Maro ireo zokiolona hiharan’ny tsy rariny eto Madagasikara, raha ny zava-misy. Misy ny miseho eny anivon’ny fianakaviana, ny ataon’ny fiarahamonina sy ny maro samihafa. […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Volavolan-dalàna miisa telo ho fankatoavana fampindramam-bola no nolanian’ireo solombavambahoaka nandritra ny fivoriana omaly, teny Tsimbazaza, notariin’ny filoha mpisolo toerana, Augustin Andriamananoro. Entina hanatanterahina tetikasa hiatrehina ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny sehatra maro ireo vola trosaina ireo. « Mitovy zo ny kandidà » hoy ny avy eo anivon’ny KMF Cnoe, nandritra ny fanambarana nataony […]
Fifehezana loza voajanahary: nanome vola 200 000 dolara ny Vondrona afrikanina
Mahatratra 200 000 dolara amerikanina ny vola avy amin’ ny Vondrona afrikanina (UA), ho fanohanana ny asa fifehezana ny loza voajanahary eto Madagasikara. Nandray izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Nitarika ny delegasiona nanolotra azy ny ambasadaoron’i Burundi sady lehiben’ny iraka fanombanana ara-pahasalamana sy […]
Tsy mila mandrimandry
Miditra amin’ny herinandro faharoa isika amin’ny fampielezan-kevitra. Samy manao izany ho afany ny mpanohana. Efa maresaka ery ny tanàna. Manakoako ny mozika sy ny hira faneva, miharo fanentanana amin’ny fiara mamakivaky ny arabe, na an-drenivohitra na ambanivolo. Samy manasongadina ny azy. Paikady tsara sy mahomby rahateo ny fanasongadinana ny […]
Ady amin’ny famotsiam-bola : hamoaka paikady vaovao ny governemanta
Ady amin’ny famotsiam-bola. Hisy ny fanavaozana ny paikady vaovao avy amin’ny governemanta amin’izany. “Misy paikady havoakan’ny governemanta ato ho ato hiadiana amin’ny famotsiam-bola. Fantatra fa misy io asa ratsy be io. Nefa tsy hita hoe manao ahoana ny fisehoana sy ny fanenjehana?” Io ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Samifin, Rajaonarison Mamitiana, […]






