Other News

SOMBIM-BAOVAO

Hankalazaina rahampitso sabotsy 27 oktobra izao ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Judo. Tsy diso anjara amin’izany fankalazana izany i Mada­gasikara ka hisy ny hetsika hanamarihana izany etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Hisy ny fampivondronana ireo Malagasy Judokas amin’ny sokajy rehetra amin’io fotoana io. « Karate Analamanga ». Hatao ny 4 novambra izao ny […]

Tompondaka Nasionaly an-tsekoly : hifantenana mpilalao hiatrika fifaninanana

Hanomboka ny sabotsy 28 oktobra hatramin’ny alakamisy 2 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly an-tsekoly, eo amin’ny taranja baolina kitra. Tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny Kaon­federasiona Afrikanina ny baolina kitra “African Schools Championship” izy ity, iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Sekoly avy amin’ny DREN miisa […]

Basikety N1A: hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety. Fifaninanana tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Eo amin’ny sokajy vehivavy, lalao ampahefa-dalana voalohany, ny fifanandrinana eo amin’ny MB2All Analamanga sy ny Serasera Vakinankaratra. Hitohy amin’ny fifandonan’ny TGBC Betsiboka sy ny Fandrasa Matsiatra Ambony izany. Hihaona aorian’izay […]

Filaharan’ny FIFA: nijanona eo amin’ny faha-108 i Madagasikara

Tsy nihetsika ny laharan’ny Barea de Madagascar tao amin’ny FIFA. Ny volana novambra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila ny “Mondial 2026” ny ekipa nasionaly malagasy. Taorian’ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny FIFA, ny 9-17 oktobra lasa teo. Tsy niova teo amin’ny faha-108 ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Ba­rea de […]

TARATRY ny KANTO

Les Talenta, eny amin’ny Le Quartier By Pass. Mitohy hatrany ny andiam-pampisehoana tontosain’i Mbola Talenta, Inah ary Fanilo Poppins. Tsy eo aloha i Mirana anio, fa izy telo mianadahy kosa no hamelona ireo hira tsy tontan’ny ela, nanamarika ny taom-polo 60,70,80 ary 90, araka ny fanaovan’izy ireo azy. Misy ireo […]