Hatramin’izao, tsy mahafa-bela ny fomba fanaovan’ny sasany fampielezan-kevitra? Fampielezan-javatra raha ny marina: tsipy kely, kitolotolotra. Karazana dona tapany hahazoana erany. Eny, na firy tao-maty aza no nifampitenenana ny amin’izay. Misy mahita sy mahazo tombony hatrany… Famitahan-tena raha ny marina. Na ho an’ny mpanome io, na ho an’ny mpandray. Andaniny, […]
Other News
Namearison Robert : “Tsy mijery izay azo tanterahina amin’izay lazainy ny kandidà”
Tokony hisy fijery hafa ny fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Namearison Robert. ”Mamono tena tsikelikely ny antoko politika”, hoy izy. “Asa, na tsy hain’ny kandidà hoe: inona ny azon’ny kaominina atao? Indraindray toa te hamaha ny olan’ny fiarahamonina ny kandidà, nefa hadinony fa tsy ao anatin’ny […]
Nofonjaina eny Antanimora : Jiolahy tratra nilanja ilan’omby
Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra omby. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, noho ny firongatry ny halatra omby. Ny 22 novambra 2024 tamin’ny 2 ora maraina, jiolahy iray tratra nitondra henan’omby iray manontolo tao Ambohibao, […]
Bel’Air -Talatamaty : mpitaingina kalesa maty voahosin’ny kamiao
Nipotsaka ny atidohany, niparitaka tamin’ny arabe ny vatany, ka maty tsy tra-drano ny lehilahy iray teny amin’ ny fokontany Amborompotsy- Bel’Air, kaominina Talatamaty, ny marain’ny sabotsy 23 novambra teo, tamin’ny 11 ora. Mpandalo eny amin’io lalana io ity tra-doza ity. Nitaingina tao anatin’ny kalesa ilay lasibatra, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. […]
Mpamono olona 2 lahy : namoahana didy fampisamborana
Voasazy higadra dimy taona, sazy mihatra, ireo mpamono olona roa lahy, namono sy nanolana olona samihafa. Izay ny vokatry ny fitsarana azy ireo, tao amin’ny fitsarana ambony, sampana misahana ny ady heloka bevava Toamasina, ny talata 19 novambra teo. Tsy tonga niatrika ny fitsarana izy ireo ka namoahana didy fampisamborana. […]






