Sehatra fahatelo anisan’ny mampidi-bola vahiny eto Madagasikara, ny fizahantany. Aorian’ny harena an-kibon’ny tany sy ny entana aondrana any ivelany izy. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Tsenaben’ny fizahantany sy ny asa tanana. Haharitra telo andro izany, etsy amin’ny Kianjan’i Barea. Tonga teny an-toerana nitsidika ny ranty ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Ny tarika Solomiral indray no handravaka ny sehatry ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Ireo hira nahafantarana sy nankafizana ny tarika hatramin’izay, sahala amin’ ny « Bako », « Sasa-miandry », « Mahatsiaro » no ho re mandritra izany. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny fampisehoana. Hianoka fampisehoana iarahana amin’ny tarika […]
Fort Dauphin: haverina ny « Sambaraha »
Hisesy ny lanonana faran’ ny taona any Fort Dauphin. Hotontosaina ny 26 hatramin’ ny 29 desambra izao ny andiany fahafito amin’ny « Festival Sambaraha ». 7 taona no niato ity hetsika ity, ka tamin-kafaliana no nanambaran’ny fikambanana Hoavign’Anôsy, omaly, tetsy amin’ny Telma Andraharo ny fiverenany. « Hatao fotoan-dehibe isan-taona ny hetsika, hampiakarana ny […]
Hira malagasy: Aleo mamerina toy izay mamorona…
Tsena be velarana ny tontolon’ny hira malagasy. Marobe ny manan-talenta miditra ao aminy. Misy ireo migoka ny mamy. Ao ireo Ramiangaly, miala ny rano faingana raha vao mahatsiaro hafahafa. Manomboka mihamaro kosa ny manao kajikajy noho ny antony samihafa! Mitombo isa andro aman’alina ireo mpihira mamerina ny sanganasan’ireo teo aloha. […]
Fahaizana sary : misy tombontsoa manokana amin’ny saina
Sehatra iray efa anisan’ny miroborobo fatratra eto Madagasikara ny fanaovana sary, raha ny zava-misy. Nataon’ny maro ho fitadiavam-bola sy fialamboly ny ankamaroan’ny fanaovana azy ireny, raha ny fanadihadiana natao. Misy tombontsoa manokana amin’ny saina ny fahaizana azy io. Ilaina talenta ny fironana amin’ny fanaovana sary ary hamafisina amin’ny fanaovana fiofanana […]






