Miantso ny mpiray tanindrazana hivavaka ho an’ny firenena ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana. Hotanterahina etsy Antsahamanitra anio tolakandro izany. Nambaran’izy ireo fa fotoana itondrana am-bavaka ny olana mandalo eto amin’ny firenena izany. Mandeha hatrany ny fifidianana na tsy hanao aza ireo kandidà 10, araka ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka […]
Other News
Zotram-pifidianana : mafana ny rantsamangaikany ny Ceni
“Ny maha zava-dehibe izao fanofanana ny mpampiofana izao, ahazoana mahafantatra ny votoatin’ireo antontan-taratasy sy rindrambaiko. Izy ireo ihany koa no hampiofana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana”. Io no nambaran’ ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, nanomboka ny fanofana ireo rantsamangaikan’ny Ceni tany Mahajanga, faritra Boeni, afakomaly, izay nifarana omaly. Iankinan’ny fahombiazan’ny fifidianana […]
Handrora mitsilany
Misamboaravoara ilay sambobe antsoina hoe Madagasikara. Tsy hita izay handraisana ny tolon’ilay vondron’ny kandidà 11 sa efa 10 ankehitriny? Ilay iraikalahy, nandeha nanao fampielezan-kevitra, milaza mpikambana feno amin’ny hetsika. Nisalotra lamba fotsy, nilaza fa mariky ny firaisan-kina. Mivoy ilay tsy fitiavam-bazaha ka zary miteniteny foana, toa mandrora mitsilany. Vadim-bazaha… […]
Kandidà Rajoelina Andry: “Hanakaiky vahoaka sy hijery ny tantsaha isika”
Nitohy tany Analavory sy Soavinandriana, any Itasy, ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Nampanantena ny tenany fa hojerena koa ny tantsaha. Nambarany fa hifanohana hatramin’ny farany ho amin’ny fampandrosoana ny tenany sy ny vahoakan’ny faritra Itasy. Notsiahiviny fa fotodrafitrasa tsy vita tao anatin’ny taona maro no naorina […]
Ambilanibe Anosipatrana : feno jiro halatra tao an-tranon’ireo jiolahy
Noraisim-potsiny ! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, afakomaly, ireo jiolahy roa raindahiny amina halatra jirona fiara. Lasibatr’ireo mpangalatra ny jirobe anoloana sy aorian’ny fiara. Maro ireo manana fiara no mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpangalatra. Nitrangana halatra jiro teny amin’ny fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano, ny 17 oktobra 2023 […]