Mpanazatra 23 mianadahy mianaka, avy amin’ny ligin’Analamanga no nahavita fiofanana “kids athletics”, taranja fototra atletisma. Tetikasan’ny Federasiona malagasy (FMA), notanterahina tetsy amin’ny Kianjan’Alarobia, ny zoma 8 sy sabotsy 9 novambra lasa teo. Tsiahivina fa andiany faharoa izy ity. Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona, fa tanjona ny hampiroboroboana ny taranja atletisma, natokana […]
Other News
Rugby – “XXL Top 20”: ho fantatra rahampitso izay hanao famaranana
Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny lalao manasa-dalana roa hiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ ny sokajy “federal II”, taranja rugby. Fihaonan’ny samy kartie no hitranga amin’izany. Hifanandrina ny CRAI sy ny CEA ary ny 3FAI sy ny XV FA. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso, ny lalao manasa-dalana […]
VAOVAO TAMBATRA
Lasa 16 605 miliara Ar ny tetibola ho an’ny Programme d’investissement public (PIP) ho an’ny taona 2025 raha toa ka 47,625 tapitrisa Ar izany tamin’ ny taon-dasa. Tapaka nandritra ny fivoriana teny amin’ ny Antenimierampirenena momba ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nivoaka ny alakamisy teo ny tetikasa. Nidina kosa ny tetibola […]
Ravinala Airports : fankalazana ny Andron’ny mpandeha
Natokana ho Andro maneran-tany ho an’ny mpandeha fiaramanidina ny 15 novambra. Nankalaza izany, omaly, ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM), ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, i […]
Vanim-potoan’ny fahavaratra : ampy ny tahirim-bary eto Madagasikara
« Tsy misy atahorana ny tahirim-bary idirantsika anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Misy, hoy izy, ny dingana atao mba hahafahana mifehy sy mandrindra ny vidiny, hifampitsinjovan’ireo mpisehatra. Mbola mitohy ny fanarafarana ny vokatra ary mbola mitohy ny ezaka amin’ny fandrindrana […]






