Other News

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka miakatra ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Voa­kasik’izany ny menaka, ny siramamy, ny entona fandrehitra ary ny arina. Mampitandrina ireo mpivarotra minia manararaotra mampiakatra ny vidin’entana tafahoatra sy ny fivarotana entana lany daty ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Velon-taraina manoloana ny zava-misy sahady ny […]

alan’i Makira : Vola 16 tapitrisa dolara hiarovana azy

Hanokana 16 tapitrisa dolara ny orinasa iraisam-pirenena Rio Tinto, ao anatin’ny tetikasa Redd+. Entina hitantanana sy hiarovana ny valanjavaboaharin’i Makira, any avaratr’i Mada­gasikara, io fampiasam-bola io, iarahana amin’ny fikambanana Wildlife Conservation Society (WCS), ny Everland ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Anisan’ny ala mando mikitroka, hany […]

Fifanakalozana : hiara-hiasa ny CCIFM sy ny Nosy Mayotte

Vita sonia, omaly, teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France Madagascar (CCIFM) Androhibe, ny fifanaraham-piaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Tanjona ny hampiroboroboana ireo tetikasa ara-toekarena iombonana, hisarihana ny fampiasam-bola ho an’ny fampandrosoana ny nosy roa tonta. Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena, ny jono […]

Depiote Rajerison A : “ambanin-javatra ny Fambolena”

“Lasa ambanin-javatra loatra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Any amin’ny laharana faha-6 no misy azy, raha ny fampiasam-bola no resahina ao anatin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Arivoni­mamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Randriam­ampianina Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, afakomaly, ny amin’ny volavolan-dalàna mifehy […]

SOMBIM-BAOVAO

Fantatra, omaly, ireo ekipa 21 amin’ny 24 efa tafita hiatrika ny “Can Maroc 2025”. Ankoatra an’i Maroc, mpampiantrano, ao ihany koa i Côte d’Ivoire, tompon­daka farany, i Cameroun, Comores, Soudan, Benin, … Firenena iray goavana amin’ny baolina kitra tsy miatrika ity Can ity kosa i Ghana. Laharana farany tao amin’ny […]