Other News

«Reko Tour 2024» : Seho ho feno fihetseham-po…

Manakaiky ilay fotoan-dehibe. Fanamby goavana ho an’ny Reko Band ny seho izay hotontosainy ny 22 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Nisy ny fihaonan’ny tarika tamin’ny mpanao gazety, nanomezana ny andinindiny, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo. Fantatra fa famaranana ny […]

Mahasoa sy mahafinaritra : hanolotra ny « Mizara hafaliana » ny tarika Haga, Miantsa Magis…

« Mizara hafaliana », seho ho fanampiana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa handraisana ny zanaky ny sahirana. Fa, seho hitondra hafaliana koa satria tarika sy mpanakanto sangany no handray anjara. Antoko mpihira Miantsa magis, tarika Haga amin’ny endriny feno, Ma­mina Kanto Gasy sy Ravaka. Tarika sy mpanakanto samy miezaka ny hanandratra […]

Tsy fahasalaman’ny reny mitondra vohoka: teraka tsy tonga volana ny 38% ny zaza eto Madagasikara

Tranga mateti-piseho eto Madagasikara ny fahaterahan’ny zaza tsy tonga volana. An­tony matetika ma­hatonga izany ny aretina eo amin’ilay reny mitondra vo­hoka. Mahatratra 13,15 tapitrisa ny zaza teraka tsy tonga volana maneran-tany, raha ny antontanisa voaray avy amin’ny Support the premature. 11 800 izany tamin’ny 2019, raha ho an’i Madagasikara manokana. […]

FANTINA sy FINTINA

Nandray anjara tamin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny filankevitry ny minisitry ny SADC tany Harera, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, araka ny fampitam-baovaon’ny minisitera, omaly. Ny amin’ny olana any RDC. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fitadiavam-bahaolana noho ny tsy fandriampahalemana ho amin’ ny fampandrosoana aty amin’ny faritra. Mitondra fanatsarana ny fandaharanasa […]

Kandidà Ndriana Razanamasy : tsy hampanofinofy ny mponin’Antananarivo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny QG Ambodiroatra Antsakaviro ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Ndriana Razanamasy, omaly tapakandro maraina. Fotoana nanombohany ny fampielezan-kevitra ataony eto Antananarivo. Nanao fanambarana mahakasika ny fahavononany amin’ny fifidianana sy ny fanolorany ny vinany ary ny fampahafantarana momba ny tenany izy, tamin’izany. «Tsy hampanofinofy sy hanao […]