Other News

Iraky ny Bad : hanamboarana fotodrafitrasa ireo kaominina

Hisitraka fotodrafitrasa ny eny ifotony ary hotohanana ireo tantsaha. Tonga nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), tetsy Anosy, ny solontenan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), omaly. Nitarika ny delegasinina, i Aminata Sow sy i Pumla Ma­ji­kija. Nifantohan’ny dinika tamin’ny solontenan’ny minisitra, ny sekretera […]

Alemaina sy MFFT : hiara-hiasa hanatsara ny fitantanana eny ifotony

Any alemana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsito­haina Naina. Anisan’ny anton-diany ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanatsarana ny fitantanana. Tafiditra amin’ny fanavaozana sy ny hahamoderina kokoa ny fitantanana eny ifotony ary ho fampiro­boroboana ny fanajariana ny tany izao fitsidihan’ny minisitra any Hamburg Alemana izao. Hampitomboina […]

TARATRY ny KANTO

“Ndao!”, iarahana amin’i Tovo J’Hay sy i Nate Tex. Anio ilay fotoana nomen’ireto mpanakanto ireto, iarahany an-tsehatra etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Seho mirindra no tanjona, satria hanaraka lohahevitra ireo hira alahatra, ka araka izay koa ny fiakarana an-tsehatra ifandimbiasana na iarahan’izy mirahalahy. Samy eny an-tsehatra […]

Famaranana ny « Festisôva » : hiaka-dapa ireo mpanao vakisaova

Fotoan-dehibe ho an’ny vakisaova, anio. Hiakatra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ireo tarika maro mpiangaly izany, mandritra ny tontolo andro. Hetsika famaranana ny andiany fahafito amin’ny «Festisôva », izay karakarain’ny fikambanana Tanora mbola ho beazina, na Tambohobe izany. Tarika maro avy amin’ireo fokontany eto Antananarivo sy ny manodidina […]

Canada : tafajoro ny sampana Havàtsa-Upem

« Am-pifaliana no ilazana aminareo fa tafajoro soa aman-tsara androany 13 novambra 2024 ny Sampana Havàtsa-Upem Canada », hoy i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy. Araka ny tatitra nataony hatrany, voafidy ho filohan’ity sampana faha-12 eo anivon’ny Havàtsa-Upem ity i Lila Ratsifan­dri­hamanana. I Bary Randresy no sekretera jeneraly. […]