Alemaina sy MFFT : hiara-hiasa hanatsara ny fitantanana eny ifotony

Any alemana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsito­haina Naina. Anisan’ny anton-diany ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanatsarana ny fitantanana.

Tafiditra amin’ny fanavaozana sy ny hahamoderina kokoa ny fitantanana eny ifotony ary ho fampiro­boroboana ny fanajariana ny tany izao fitsidihan’ny minisitra any Hamburg Alemana izao. Hampitomboina hatrany koa ny ezaka hametrahana ny fiaraha-miombon’antoka ara-stratejika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Nohazavain’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, ta­min’izany ny hametrahana tanàna misongadina sy mia­vaka “Villes intelligentes – smart city” ary koa ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny asam-panja­kana, hanomezana fahafaham-po ny filan’ireo vahoaka.
Anisan’ny hiaraha-miasa ho amin’ny fanatanterahana izany ny minisitera federaly ho amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy fampandrosoana (BMZ) sy ny eo anivon’ny GIZ.

Ho fitaratra eo amin’ny fanatsarana ny rafitra

Ao anatin’ny fiaraha-miasa ny lafiny fitantanana ny lafin-tany sy ny fampiroboroboana ny niomerika. Eo koa ny fam­pifandraisana ny maodely alemà mba hifandraika amin’ ny zava-misy eo amintsika ha­mahana olana ny momba izany. Hatsangana, araka izany, ny vovonana ho amin’ny fampandrosoana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Tsiahivina fa mitohy ha­trany ny ezaky ny eo anivon’ny MMFT ho amin’ny fanatsarana ny rafitra amin’ny fitantanana ka mba ho fitaratra amin’izany ny amin’ny fanavaozana izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara.

Synèse R.

Partager sur: