Other News

Hazandrano : tilapia 25 000 narotsaka ao Andranotapahana

Anisan’ny foto-piveloman’ny mponina ny jono ao amin’ny farihin’Andranotapahana Ambohidratrimo. Mamatsy hazandrano an’i Talatamaty sy Ambohidratrimo ary indrindra ny aty an-dRenivohitra. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 25 000 tao amin’ny farihy, ny 23 oktobra teo, avy amin’ny fikambanana Fanilon’i Marovatana sy ny fikambanana Ezaka Firaisankina. Natao ity hetsika ity mba hiteraka tombontsoa […]

Tontolo iainana : misy tetikasa hiarovana ny alan’Ankarafantsika

Anisan’ny valanjavaboahary marefo ny ala maina an’Ankarafantsika. Misy ny tetikasa hiarovana azy, iarahan’ny mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nampahafantarina ny 23 oktobra teo ny tetikasa «Ala maiky Ankarafan­tsika», entina hanamafisana ny fiarovana ny alan’Anka­ra­fantsika, tantanin’ny Mada­gas­car National Parks (MNP). Famatsiam-bola manokana avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny […]

Fiparitahan’ny zava-mahadomelina : hanampy ny polisim-pirenena ny Amerikanina

Tontosa ny 25 oktobra 2024, teny amin’ny foibem-pibaikoan’ny polisim-pirenena Anosy, ny dinika momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto Madagasikara. Nandray anjara tamin’izany ny polisim-pirenena malagasy sy ny zandarimariam-pirenena. Dinika niarahana tamin’ny ambasady Ameri­kanina, tamin’ny alalan’ny International Narcotics and Law enforcement, notarihan’i Brian Morales. Nitarika ny delegasiona ho an’ny minisiteran’ny […]

Fampivoarana ny Escrime : mizara ny traikefany eto Madagasikara i Baytir Sidy Dop

Anatin’ny fanatsarana ny lafiny teknika ny taranja Escrime, amin’izao fotoana izao. Manam-pahaizana iraisam-pirenena, i Baytir Sidy Diop, izay tonga eto Mada­gasikara, mizara traikefa mandritra ny valo andro. Araka izany, atleta sy mpanazatra ary mpitsara ny taranja Escrime, 12 isaky ny ligy no maka traikefa amin’i Baytir Sidy Diop. Raha ny […]

Volley-“Coupe de Mada U23” : nanomboka omaly, tao Fianarantsoa

Nisokatra omaly, any Fia­na­rantsoa, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley, sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Fivoriana ara-teknika notarihin’ny tale teknika na­sionaly niaraka tamin’ireo ekipa mandray anjara no notontosaina ny sabotsy 26 oktobra lasa teo. Nanomboka avy hatrany kosa ny lalao ho an’ny andro voalohany. Lalao 6 […]