Nanao be fiavy ny Barea de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa Cup”, sokajy Sénior, vehivavy, taranja baolina kitra. Nomontsaniny tamin’ny isa mavesatra ny Club M Maurice. Tsara fanombohana ny Barea de Madagascar, vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny […]
Other News
Kaominina Mahasolo : dahalo lavon’ny tifitry ny dahalo
Dahalo mirahalahy mpangalatra omby nifanenjehan’ny zandarimaria nandritra ny hazalambo tao Ambalasoaray, fokontany Maevarano, kaomininina Mahasolo, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy ireo. Naharay fampahafantarana ny mpitandro filaminana ka nanetsika ireo vatan-dehilahy hanidy ny kizo ahina handosiran’ireo tsy valahara. Nirondra fitaovam-piadiana rahateo ireo mpandroba ka nanao sarotra ny […]
Toamasina : notafihin’ny jiolahy ny tranona zandary sy polisy
Tsy mifidy intsony ! Izay no azo iantsoana ny fihetsiky ny jiolahy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, ny herinandro teo. Voalohany tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tokantranona polisy iray no novakian’ny jiolahy. Varavaramby ny tranony kanefa sahin’ireo olon-dratsy no namaky izany. Nahavariana tamin’ity raharaha ity, navelan’ireo olon-dratsy teo ivelan’ny trano […]
Faneva Liantsoa : maniry ny hisian’ny kianja tsipy katenibe eny amin’ny Cité Itaosy
Ho fanampiana ny tanora sy ny ankizy misehatra eo amin’ny lalao tsipy katenibe eny amin’ny Cité Itaosy. Maniry ny hananganana ny kianja filalaovana izany eny an-toerana, i Faneva Liantsoa, tompondaka maneran-tany ny taona 2021 lasa teo. Mandritra izao fankalazana ny faha-60 taonan’ny Cité Akany Sambatra izao. Manam-paniriana ny hisian’ny “boulodrome”, […]
Fifidianana ben’ny Tanàna: nanentana ny vahoaka hifidy i Tojo Ravalomanana
Nanatanteraka fihaonana teny amin’ny Magro Behoririka, omaly, ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim). Niatrika izany Ravalomanana Marc, filohan’ny antoko Tim, ny kandidà ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, i Tojo Ravalomanana, sy ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ ny anaran’izany antoko izany. Teo koa ireo vahoaka mpikambana eo anivon’ny antoko eto Antananarivo Renivohitra. […]






