Tanjona ny hahatongavan’ny mpizahatany 1 000 000 amin’ny taona 2028. Mila homanina koa ny fotodrafitrasa, toy ny fampitomboana ny efitrano fandraisam-bahiny. Tanjona lehibe napetraky ny fanjakana, hotanterahin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), ny hisarihana mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Misy ny paikady napetraka hanatrarana io tanjona io. […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Hankalaza ny faha-35 taona nikorianan’ny peniny Ny Vetso. Ny alakamisy 24 oktobra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy no hanatanterahana izany. Amin’io fotoana io koa no hanolorany amin’ny fomba ofisialy ilay boky « 365 andro tonga lafatra » ho tsangambaton’ny faha-35 taona. Hanafana sy handravaka ny hetsika […]
Hizara mozika : handalo an-tanindrazana Rakoto
« O ry zandry kely! ». Hira nalaza tany amin’ny taona 90 tany, izay mbola ahafantarana an-dRakoto hatramin’izao, izany. Monina any ivelany, kanefa tsy manadino ireo mpankafy eto an-tanindrazana izy, isaky ny afaka mandalo. Fantatra fa hiaka-tsehatra etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka izy, ny alahady 27 oktobra ho avy izao, manomboka […]
Herinandron’ny Havàtsa –Upem 2024: hisy ny famoahana boky maro mandritra ny hetsika
Mbola velona ary mametraka hatrany ny maha izy azy ny fikambanan’ireo Malagasy poeta sy mpanoratra. Mitohy hatrany ihany koa ny famelomana ny asa soratra sy fanohanana ireo mpanatalenta, anisan’izany izao famoahana boky izao. Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 26 oktobra 2024, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny « Herinandron’ny Havàtsa –Upem 2024 ». Handravaka […]
Fihinanana siramamy be loatra : mampahazo aina ny homamiadana ao amin’ny vatana
Fahazaran’ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao ny fihinanana siramamy. Mahasoa ny vatana izy io satria anisan’ny mamokatra angovo entin’ny vatana miasa. Anisan’ny mahatonga aretina homamiadana eo amin’ny vatana ihany koa anefa ny fihinanana azy be loatra. Nampidirina tao anatin’ny sakafon’ny olona tany Eoropa ny siramamy, taorian’ny taonjato faha-18. Akora fototra […]






